Lehilahy iray voasambotry ny polisim-pirenena noho ny fitazomana basy tsy ara-dalàna tany Ranohira, ny 1 aogositra lasa teo. Tratra nandritra ny fisafoana nataon’ny polisy izy io tamin’ny 11 ora maraina. Rehefa nosavaina, nahatrarana basy vita gasy miaraka amin’ny bala sy mohara tany aminy. Nentina nohadihadiana teny amin’ny birao izy taorian’izay.
Lehilahy iray tratra nampiasa vola sandoka teny amin’ny Cash point iray tany Ambilobe, ny 31 jolay lasa teo. Nilaza hanao petrabola amin’ny findainy izy tamin’io fotoana io. Tsikaritr’ilay mpiasa tao amin’ilay Cash point fa vola sandoka avokoa no nampiasain’io lehilahy io. Nampiasa vola sandoka 20 000 Ariary miisa 30 be izao izy.
Hita tany Ambatomisihazo Antranoroa, Soavinandriana Itasy, teny an-tanimboly, ny moto iray marika Peter 150 cc, ny zoma teo. Nisy nangalatra tao amin’ny garazy tany Antranoroa izy io, tamin’ny 3 ora maraina. Nopitsohiny ny hidin-trano ary nobatainy ny entana ary izao nentiny tany an-tanimboly izao.
Lehilahy iray tratra nisandoka ho mpitandro filaminana tao amin’ny fokontany Tongoarahamba, kaominina Ambahikily, disitrikan’i Morombe, afakomaly. Mbola tratra teny aminy ny taratasy sy grady hosoka nampiasainy. Tafiditra ao anatin’ny lamina napetraky ny mpitandro filaminana any an-toerana sy hisorohana ny fanaovana hosoka izao.




