Nandritra ny fitsidihana nataon’ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa teny amin’ny Akamasoa no nanomezany fahazoan-dalana hanokatra ivontoeram-panofanana sy ny fankatoavana ara-dalàna ny sampam-piofanana maro ao an-toerana.
Anisan’izany ny fanofanana momba ny taotrano, taovy, herinaratra, fametrahana ireo kojakoja amin’ny toeram-pidiovana sy ny lalandrano amina tokantrano, rafitra isan-karazany. Tsy izany ihany fa ahitana zaitra, taovolo sy ny fikojakojana endrika amam-bika, fandraisam-bahiny sy ny fikarakarana sakafo…, ihany koa eny an-toerana
Tanjona ny hahafahan’ny tanora mahazo fahaiza-manao ilaina, hanatsara ny fari-piainany ary hiatrehana ny tsenan’ ny asa avy hatrany aorian’ny fiofanana omena ireo tanora.
Naneho ny fahavononany hanohana akaiky ity ivontoerana ity ny minisitra ho an’ny fanabeazana sy fanofanana tanora manoloana ny fanamby ara-tsosialy sy ara-toekarena.
Marihina fa toerana iray manan-danja amin’ny fikarakarana sy fanabeazana ireo ankizy sy tanora sahirana ny Akamasoa izay tarihin’ny mompera Pedro Opeka.
Tafiditra amin’ny fanamafisana ny fanatanterahana ny velirano faha-4 napetraky ny filoham-pirenena, izay mikendry ny hanome fiofanana ara-kalitao ho an’ny tanora, ny fivelarana amin’ny fampiofanana arakasa toy izao amin’ ireo toerana be tanora sy tena mila izany.
Tatiana A




