Fampianarana : Braille iraisam-pirenena ampiasaina eto Madagasikara

Manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny braille ampiasaina eto Madagasikara manomboka izao. Tombony maro ary fisokafana ho an’ireo olona manana olana ara-pahitana izany.

Manomboka izao, ny fa­mantarana braille fampiasa aty amin’ny tany miteny frantsay na maneran-tany no ampiasaina eto Mada­gasikara. Nisongadina izany nandritra ny fampiofanana ireo mpampianatra eny anivon’ny sekoly manokana manabe ireny ankizy misy olana amin’ ny fahitana, sy ireo mpampianatra eny anivon’ny sekolim-panjakana (EPP sy CEG) manerana ny faritra valo.
Tanjona ny hampitovy ny famantarana hampiasaina eto amin’ny firenena ho an’ireo misehatra amin’ny fanabea­zana ireo zaza manana olana amin’ny fahitana tanteraka na amin’ny ampahany.
Hamoraina ny fahombiazan’ny fampitana fahalalana amin’ireo mpianatra sokajiana ho manana ity olana ity mba hisitraka fampianarana sy fanabeazana sahala amin’ny mpianatra rehetra.
Ho afaka iatrika fanadinam-panjakana sy miditra amin’ny sehatry ny asa mifandraiky amin’izany ireny mpianatra manana fahosana ara-pahitana ireny aoriana rehefa mahafehy ny famantarana Braille izay fampiasa maneran-tany manomboka izao.
Nifanarahan’ny minisitera telo tonta misehatra amin’ny fampianarana sy ny mpisehatra rehetra fa manomboka izao dia ny “signe Braille”, ny “code braille francophone universel” no ampiasaina eto amintsika.
Niarahana tamin’ireo ma­nam-pahaizana avy any ive­lany, ao anatin’ny Fondation lego braille bricks izay mise­hatra amin’ny fampitana fahalalana ho an’ireo manana olana amin’ny fahitana ny fiofanana.
Tafiditra amin’ny fampiroboroboana ny fanabeazana mampiaty eto Madagasikara ny hetsika.
Nisy ny fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fana­beazam-pirenena sy ny UNICEF ary ny Fondation lego braille bricks, tamin’ny fahalavorarian’ny fiofanana.

Tatiana A

Partager sur: