Miantso fifampiresahana eo amin’ny filohan’ ny Antenimierandoholona sy ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM) ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Mara Volamiranty Donna. “Afaka mifampiresaka hatrany ny ray aman-dreny sy zanaka. Tokony hifanohana hatrany ny filohan’ny Andrimpanjakana sy ny mpanao gazety”, hoy izy.
Nahazo fanomezana avy amin’ny Repoblikan’i Sina ny sampandraharahan’ny Serasera eo anivon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny. Ahitana fitaovana maro toy ny solosaina, milina fanontam-
pirinty, ary fitaovana teknolojika manaraka ny toetrandro izany. Hampiasaina mandritra ny fihaonana
an-tampony faha-45 an’ny Sadc izany.
Nambaran’ny Pr Ratsimbazafy Jonah fa tsy maintsy hiditra an-tsehatra ary handray an-tanana ny fanatanterahana ny fanadihadiana momba ny “Raharaha Boeing 777” ny Amerikanina. “Tsy ho afa-miala amin’izany mihitsy ny fitondram-panjakana malagasy”, hoy izy. Tsiahivina fa efa eto ny avy amin’ny FBI amin’izao fotoana izao.
Namoaka fanambarana koa ny mpanao gazety vehivavy AFJM ary nilaza fa tsy azo ekena ny fanaovana zinona ny mpanao gazety. Tsy azo ekena ny fanohintohinana ny fahafahana mikaroka vaovao sy ny herisetra na amin’ny endrika inona na inona ampiharina amin’ny mpanao gazety. “Avelao ny mpanao gazety hiasa amin-kahalalahana”, hoy izy ireo.




