Nanatanteraka fitsidihana ny toby kolonely Rasolonjatovo Claude Armand, ao Androva Mahajanga, ny sabotsy teo, ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin, sy ireo manamboninahitra mpiara-miasa aminy. Nisy, araka izany, ny fivoriana niarahana tamin’ireo mpianatra ho manamboninahitra mpitsabo sy mpitsabo nify tao Mahajanga ka nanomezany toromarika ho an’ireo mpianatra. Anisan’izany ny tokony hifantohana amin’ny fianarana, ny hanajana fatratra ny fitsipi-pifehezana miaramila. Nohamafisiny koa ny tokony hanaovan’ireo mpianatra ireo fanazaran-tena ara-miaramila mandritra ny fotoam-pialantsasatra mba hahafahan’izy ireo miomana sahady amin’ny andraikitra ho sahanin’izy ireo. Nisy fangatahana nataon’ireo mpianatra nandritra io fotoana io mba hanitarana ny trano fonenan’izy ireo satria efa tsy ampy intsony noho ny fitomboan’ny isa any an-toerana.
Jean Claude




