Notokanana ny 31 jolay 2025 lasa teo, ny Kaomisaria Boriborintany voalohany Ambodimanga, ao Toamasina. Nitarika ny fotoana ny minisitry ny Filaminam-bahoaka (MSP), ny inspecteur général de Police Rakotoarimanana Herilala, notronin’ireo tomponandraikitra ambony avy ao amin’ny MSP foibe sy ny Talem-paritra maromaro tonga any an-toerana. Nanome voninahitra ity fotoana ity ny Préfet an’ny faritra Atsinanana, ireo olom-boafidy avy ao amin’ny faritra sy ao Toamasina ary ireo manamboninahitra miaramila sy sivily.
Tafiditra tanteraka anatin’ny drafitrasan’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka amin’ny fanatanterahana ny paikady
« Polisim-pirenena manakaiky vahoaka » sy fampiharana ny politikam-panjakana ho fametrahana fandriampahalemana maharitra izao fitokanana ny kaomisaria eny anivon’ny vahoaka izao. Hanamafy ny fitandroana ny filaminana ao Toamasina rahateo ihany koa.
Jean Claude




