Omby miisa fito nangalarin’ny dahalo tany Farafangana tafaverina afakomaly. Nandray andraikitra tamin’ny fanarahan-dia izany ny polisin’ny Hery vonjy taitra (FIP). Nentin’ny dahalo nitsoaka ireo omby ireo, ka tsikaritry ny olona. Lasa nitsoaka ireo olon-dratsy raha vao nahita ny polisy ary navelany teo ireo omby.
Manodidina ny 15 ny lozam-pifamoivoizana nisy teto Antananarivo, nanomboka ny zoma hariva teo. Roa ny namoizan’aina, iray niseho tetsy Anosipatrana, afakomaly atoandro. Mpitondra bisikileta iray namoy ny ainy tamin’izany, voahitsaky ny fiara be mpitatitra iray tamin’ny 2 ora sy sasany atoandro. Nentina eny anivon’ny kaomisaria foibe Tsaralalàna ilay mpamilin’ny fiara taorian’izay.
Nanatanteraka hetsika fanalefahana ny fitohanan’ny fifamoivoizana eto Antananarivo ny polisim-pirenena avy amin’ny CMUC, omaly. Nanaovana izany ny tetsy amin’ny lalana mampitohy ny tonelina Ambohidahy sy Anosy. Nesorina ireo fiara maty teny an-toerana izay nitarika fitohanana. Mbola hitohy ny hetsika.
Moto iray marika Kymco G5 no nanao lozam-pifamoivoizana tetsy amin’ny lalana hiditra ny hôtel Combava Ambodihady, afakomaly. Nifandona tamin’ny fiarakely iray marika Peugeot 205 izy io tamin’io fotoana io. Vokany, naratra ny mpitondra ilay kodiaran-droa ary nentina teny anivon’ny hopitaly HJRA Ampefiloha.




