Vaksiny anti-HPV : Entanina ny ankizy 9 hatramin’ny 14 taona

Misy ny hetsika fanaovam-baksiny miaro amin’ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza hotanterahina eny amin’ny CSB rehetra manerana ny Nosy, ny 14 ka hatramin’ny 18 oktobra izao.
Voakasiky ny fanentanana ireo ankizivavy manomboka 9 taona hatramin’ny 14 taona aloha ny fidirana amin’ny fiainana ara-nofo.
Aretina mifindra amin’ny firaisana ara-nofo ny homamia­dan’ny vozon’ny tranon-jaza. Dieny tsy mbola tafiditra ao anatin’ny fanaovana firaisana ara-nofo ny tanora dia entanin’ny minisitera hanao vaksiny fiarovana. Ny fisorohana rahateo no tsara indrindra.
Mbola maro ny ray aman-dreny feno fisalasalana amin’ny fandrisihana ny zanany hanao izany vaksiny izany. Tsy tena mbola ampy ny fahalalana sy ny fandresen-dahatra, antony mahatonga izany. Mbola fady ihany koa ny miresaka fananahana amin’ny toerana maro.
Marihina fa matetika dia tsy misy soritraretina miseho ety ivelany ny homamiadana. Tena misoko mangina ity aretina ita ka izany no tokony hiarovana ny zanakavavy amin’ny fanao­vany vaksiny anti-HPV.

Tatiana A

Partager sur: