FANTINA sy FINTINA

Naneho ny fankasitrahany sahady ny fahatanterahan’ny fivorian’ny Sadc, andro voalohany, afakomaly, ny sekretera mpanatanteraka, Elias Magosi. Nambarany tamin’ny minisitra Rasata Rafaravavi­tafika, tetsy Anosy, izany. “Tsy nisy nokianina hatreto ka arahabaina ianareo”, hoy izy. Tsiahivina fa hifarana ny 17 aogositra ny fivoriana.
Naneho ny heviny ny administratera sivily, Raholinarivo Paolo, fa miandry sy manantena ny mpitantana ny vahoaka. Eo ny vita fa misy ireo tsy maintsy efaina, araka ny nambarany. “Tazony ny teny nomena, mifanome tanana no mety noho ny mifanome tsiny. Mijoroa daholo ireo nomena sy nangataka andraikitra fa tsy vitan’olona iray ny fampandrosoana”, hoy izy.
Tsy matahotra ireo miteny etsy sy eroa raha tena tomponandraikitra mijoro sy matoky ny ataony ary tena mitondra tamberin’andraikitra ho an’ny vahoaka, araka ny fanehoan-kevitry ny mpandinika fiarahamonina, Randria­ma­sinoro Gothlieb. “Lany fotoana mamaly ny tambajotran-tserasera ireo tomponandraikitra sasany…”, hoy izy.
Nahitsy ny depiote Andriampampandry Todisoa manoloana ny fihetsiky ny filohan’ny Anteni­mierandoholona, Ravalomanana Richard. Nambarany fa tokony hianatra ny famaritana ny “Enquête parlementaire” ny filohan’io Andrimpanjakana io. “Zon’ny depiote sy loholona ny manokatra izany raha misy fandikan-dalàna…”, hoy izy.

Partager sur: