Drafi-pampandrosoana stratejika manoritra ny fampandrosoana amin’ny faritra (RIS DP 2020-2030). Io ny niompanan’ny andro faharoa sady faran’ny fihaonan’ny tomponandraiki-panjakana ambony sy manampahaizana momba ny fampandrosoana eo anivon’ny Sadc teny amin’ny CCI, Ivato, omaly. Tena tondrozotra ho amin’ny fampandrosoana maharitra sy tsy anavahana ary mampitambatra ny faritra eo anivon’ny Sadc ny RISDP 2020-2030, araka ny fampitam-baovao avy eny amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, Anosy. Mandray anjara mavitrika amin’ny dinika ny delegasionina malagasy tarihin’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, Ratsimbazafy Eric, miaraka amin’ireo solontenan’ny firenena mpikamban’ny Sadc hafa.
Fantatra fa fanombohana ny asa fanomanana ny fihaonana an-tampony faha-45 ataon’ireo filoham-panjakana sy lehiben’ny governemanta eo anivon’ny Sadc amin’ny 17 aogositra ho avy izao ny fihaonan’ireo mpiasam-panjakana ambony vita omaly. Aorian’izay, ny fivorian’ny komity momba ny toekarena. Izay tapaka amin’izany kosa no hoentina amin’ny filankevitry ny minisitra, izay hatao amin’ny 12 aogositra ho avy izao. Tsiahivina fa “fampiroboroboana ny indostria, ny fanovana ny fambolena ary ny fifindrana angovo ho an’ny Sadc maharitra” ny lohahevitra amin’izao fihaonana an-tampony izao. Mifanaraka tanteraka amin’ny vina Sadc 2050 ny RISDP 2020-2030 sy ny laharam-pahamehan’ny firenena eto Madagasikara rahateo ny lohahevitra, araka ny nampitain’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny. Hamaritra ny hoavin’ny faritra mpikamban’ny Sadc ny fanapahan-kevitra hivoaka avy amin’ireo dinika.
R. Nd.




