Any am-pialana sasatra ny ankizy amin’izao fotoana izao. Tsara ampahafantarina azy ireny ihany ny fomban-tany sy ny fady, ireo toerana mety ahitan-doza, mba tsy hitera-boina. Na fefena mihitsy isorohana ny mety ho fahavoazana. Ilaina hatrany ny fanaraha-maso akaiky ny ankizy.
Nanamarika ny hanajana ny marquage au sol, ho fandrindrana ny fifamoivoizana, indrindra ho an’ireo mpanao vakansy any an-toerana, ny kaominina Mahajanga. Mbola hitombo ireny mari-pamantarana ireny hisorohana ny loza an’arabe. Nanentana ny tokony hitandreman’ny rehetra ihany koa amin’ny fifamoivoizana ny fiadiddana ny tanàna.
Hotanterahina ny 11 ka hatramin’ny 17 aogositra izao ny fanamarihana ny Herinandrom-pirenena ho an’ny fampinonoan-dreny. “Ndao hametraka rafitra maharitra mba ho laharam-pahamehana ny fampinonoan-dreny”. Io no lohahevitra hovoizina mandritra izany.




