Soanierana-Isaka Ivondro : Tsy maintsy harenina hamoahana vokatra ny lalan-dratsy

Sompitry ny distrikan’i Faradofay ny vallée an’Ambolo sy Ifaho. Amboarina ny lalana amin’ireo toerana ireo hahafahana mamoaka ny vokatra.

Nanomboka tamin’ity herinandro ity ny asa fanarenana ireo lalana tena simba mampifandray ny kaominina Soanierana sy Isaka Ivondro, any amin’ny faritra Anôsy. Ireo lalana tena ahitana faharatsiana sy mampijaly amin’ny fivezivezen’ny mpitatitra no asiam-panamboarana, araka ny fanazavan’ ny governoran’ny faritra, Ra­ko­tovelomanantsoa Voahary.
Misy faritra 10 izay tena mampitaraina ireo mpitondra vokatra no enjehina haingana ny famitana azy.
Mitady vahaolana hatrany ny faritra amin’ny fampandrosoana ary anisan’izany ny la­lana izay nanomezan’ny Filo­ham-pirenena baiko ma­noka­na mihitsy, indrindra amin’ireo kaominina mamoaka vokatra izay mamatsy ny tanàna ma­no­didina sy ny distrika.
Marihina fa ny vallée an’ Ambolo sy Ifaho dia mamatsy vokatra ny faritra Anosy, indrindra ny distrikan’i Fara­do­fay, izay lalovan’ny lalana asiam-panamboarana, ankehitriny. Miantoka ny famahanana ny mponina amin’ny distrika manontolo mihitsy ireo.
Efa voasoritra avokoa ny mpiara-miombon’antoka ha­nao ny asa amin’ny fanamboaran-dalana. Anisan’izany ireo kaominina manamorona ny lalana amboarina, izay hanome tanana amin’ny fanamboarana.
Ny Défis izay hanamboatra ny lalana mamitohy an’ Isaka Ivondro hatrany Ena­kara, izay hatao amin’ity taona ity. Ny tetikasa Picas handray ny asa Enakara hatrany Bevoay.
Efa mijery ny mpiara-miombon’antoka hamita tanteraka ny lalana mampifandray an’i Soanierana, Isaka Ivondro hatrany Bevoay, mivoaka Ranomafana ihany koa ny faritra amin’izao fotoana. Eo koa ny tetikasa «Mionjo» izay mifanampy tanteraka amin’ny asa fampandrosoana ny any amin’ny kaominina rehetra anatin’ny faritra.

Tatiana A

Partager sur: