Tanora 12 mianadahy, avy amin’ny faritra 6, manerana ny Nosy nahavita fandresen-dahatra amina lohahevitra mazava nosafidiany no voafantina tamin’ilay tetikasa «Za Mahasaky».
Tsiahivina fa fandefasana horonantsary fohy na tononkalo na slam no nanaovana fifaninanana. Lohahevitra 5 no nanaovana safidy ka nifantoka tamin’ny fandresen-dahatra ny olom-pirenena izany.
Anisan’izany ny fampahafantarana ny andraikitry ny tanora amin’ny fomba fitantanana ara-drariny. Ny fandraisana anjara amin’ny fiainam-pirenena izay midika ho fiarovana ny zo, ny hevitra ary ny hoavy.
Ny maha tanora dia midika koa ny maha solontena ho an’ny fanovana: tena ilaina amin’ny fitoniana, fandriampahalemana sy fampandrosoana ny firenentsika ny fandraisana anjara am-pahamendrehana amin’ny fiainam-pirenena. Ny hevitray, ny feonay, ny hoavinay: ndao handray anjara amin’ireo sehatra fandraisana fanapahan-kevitra mba hananganana fiarahamonina marina sy milamina. Ahoana no ahafahantsika miady amin’ny fanavakavahana ary mampiroborobo ny fitoviana amin’ny ambaratonga rehetra amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra?
Tatiana A




