TSELATRA

Raim-pianakaviana 44 taona saika hanolana ny zanany vavikely 11 taona voasambotry ny zandary teny amin’ny Petite Plage Amborovy, ny 30 jolay lasa teo. Poritra te hivoaka ilay ankizivavy ka nentiny tany ivelan’ny trano fonenana, somary mihataka ny tanàna. Naboridany ary efa nampatoriany teo ambonin’ ny latabatra fivarotana iray. Nisy nahatsikarita izany ka nampandrenesina avy hatrany ny zandary.

Nahatratra 1 497 ireo tranga mahakasika ny herisetra mianjady amin’ny zaza sy ankizy tsy ampy taona voaray teo anivon’ny Centre vonjy naomboka ny volana marsa 2017 hatramin’ny desambra 2023. Nanodidina ny 226 kosa izany tamin’ny taona 2023. Ankizilahy kely ny enina amin’izy ireo.

Nofohanana avokoa ny trosan’ireo mpivarotra 109 nanana tsena may tao amin’ny tsenan’i Sabotsy Antsirabe, ny 21 jolay lasa teo. Manodidina ny 121 tapitrisa Ariary ny fitambaran’izany. Mbola afaka mamerina mindram-bola indray ireo mpivarotra mba hampandehanana ny asany.

Partager sur: