Marihina isaky ny 19 aogositra ny Andro maneran-tany natokana ho an’ny asa maha olona.
Manamafy ny firaisankina maneran-tany sy manome hery ny vondrom-piarahamonina eo an-toerana. Io no lohahevitra voizina amin’ity taona ity.
Misy ny fifaninanana fakana sary maneho ny fandraisan’ anjara amin’ny asa maha olona sy ny fiantraikany tsara eo amin’ny fiainam-bahoaka.
Afaka mandray anjara amin’ ny fifaninanana ireo tanora tia maka sary latsaky ny 35 taona. Mampiasa fakantsary matihanina ary avoaka amin’ny tambajotra sosialin’ny UNFPA sy ireo mpiara-miasa aminy izany. Hatramin’ny 12 aogositra izao no fara fandraisana anjara ho an’ireo liana.
Maneho fandraisan’anjara amin’ny hetsika ara-pahasalamana na vonjy aina ny sary alaina. Ny andraikitry ny vehivavy na tanora na vondron’ olona mamaly ny filana maha olona. Mivoy hafatra amin’ny adisisika momba ny maha olona ihany koa.
Manana faharefoana manokana i Madagasikara manoloana ireo loza voajanahary, toy ny tafiotra mahery, haintany, ary tondradrano, ka miatrika fanamby maha olona miverimberina, izay mahamafy orina ny fiantraikan’ny krizy ara-tsosialy sy ara-toekarena.
Fanomezam-boninahitra ireo mpiasan’ny asa maha olona izay manolo-tena sy miatrika loza mba hanampy amin’ny asa famonjena voina ny fanamarihana ny Andro natokana ho an’ny asa maha olona.
Tatiana A




