Antohomadinika: Zazamenavava hita faty

Fatin-jazamenavava hita faty tao anatin’ny lavaka fivari­nan’ny rano maloto, teny amin’ny fokontany Antohomadinika, boriborintany voalohany, omaly maraina. Natsingevan’ny rano, nofonosan’ny tsy mataho-tody tao anaty harona plastika ilay zaza efa tsy misy aina intsony. Vinavinain’ireo nanatri-maso ho roa volana eo ho eo io zaza narian-dreniny io. Tsy fantatra ny nahavanon-doza. Ny alin’ny talata, nahatsikaritra vehivavy roa tsy avy eny an-toerana nivezivezy teo amin’io faritra nahitana ny fatin-jaza io ny mponina manodidina. Tsiahivina, miseholany ny tranga fanarian-janaka tato ho ato. Fitsoahana adidy tsotra izao, misy koa ireo reny iharan’ny olana ara-tsaina. Anisan’izany ilay vehivavy tsy salama saina teraka tao amin’ny trano fivoahana teny Ampefiloha nikasa hanary an-janany, roa herinandro lasa.

Tsiferana R.

 

Partager sur: