Fanetriben’ny fanabeazana ny kolikoly. Napetraka eny anivon’ny sekoly ny tambajotra mandala ny fahamarinana hisorohana izany. Nampiana ihany koa ny fahaiza-manaon’ny mpanabe momba ny ady amin’izany.
Natao tamin’ity herinandro ity ny atrikasa mahakasika ny fanombanana ny loza ateraky ny kolikoly eo amin’ny sehatry ny fanabeazana eto Madagasikara. Napetraka, tamin’izany, ny tambajotra mandala ny fahamarinana eny anivon’ny sekoly mba hahamarin-toerana tsara ny ady amin’ny kolikoly izay mampitaraina ny mpampiana-janaka.
Anisan’ny handraisana fitarainana matetika ny resaka kolikoly eny anivon’ny sekoly, indrindra rehefa fotoana fidiran’ny mpianatra toy izao. Mandoa vola vao voaray kanefa ny fanjakana mivoy fa maimaimpoana ny fandraisana mpianatra eny amin’ny sekolim-panjakana.
Isorohana izany indrindra no nametrahana ny tambajotra mandala ny fahamarinana eny amin’ny sekoly.
Niarahana tamin’ny Transparency Internationa-Initiative Madagascar (TI-IM) sy ny tetikasa Marina ary ireo mpandray anjara avy amin’ny sehatry ny fanabeazana ny atrikasa.
Tanjona ny handrefesana ny fomba fijery sy ny fahalalan’ ny olom-pirenena momba ny kolikoly, ny hamantarana ny endrika sy ny antony mahatonga izany. Eo koa ny hanombanana ny fiantraikany ara-tsosialy sy ara-toekarena indrindra amin’ireo vondrona marefo ary ny hanolotra soso-kevitra mazava sy azo tanterahina.
Manimba ny kalitaon’ny fanabeazana eto Madagasikara ny kolikoly. Mitaky fiaraha-mientana avy amin’ny tsirairay ny fanafoanana izany.
Vaindohan-draharahan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny fametrahana fitantanana mahomby, mangarahara, lavitry ny kolikoly amin’ ny endriny rehetra indrindra amin’ny sehatry ny fanabeazana. Efa mipetraka koa ny politika anatiny iadiana amin’ ny kolikoly eny anivon’ny minisitera izay efa nosoniavina niaraka tamin’ny Bianco ny volana janoary teo.
Tatiana A




