“Bazar de la Sadc”: Hisokatra amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny taozavatra malagasy

Marolafy ny hetsika hotanterahina ao anatin’ny fihaonana an-tampon’ny Sadc. Hisongadina ny fisokafan’ny foibe fampirantiana iraisam-pirenena eny amin’ny Lac Iarivo izay handray ny hetsika “Bazar de la Sadc”.

Hatao eny amin’ny Lac Iarivo, ao amin’ny foibe fampirantiana iraisam-pirenena, ny hetsika “Bazar de la Sadc”, ny 14 hatramin’ny 18 aogositra izao. Nohaza­vain’ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny trano fonenana izany nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo.
Natao hitondrana ireo vokatra amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny hetsika ary tafiditra ao anatin’izany ny kolontsaina sy ny asa tanana malagasy. Ahitana karazan-tsakafo sy vokatra mampiavaka an’i Madagasikara ny tranoheva ary hisongadina ny vita malagasy mandritra izany.
Handray anjara ao anatin’izany koa ireo firenena mpikambana ao amin’ny Sadc ifampizara ny kolontsaina. Mi­sokatra ho afaka tsidihin’ny daholobe izany hetsika izany.
Ifarimbonan’ny minisiteran’ny Indostria sy ny varotra ary ny ben’ny Tanànan’­ Anta­na­narivo ny fandavorariana ny fampirantiana.
Etsy andaniny, nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra koa ny fanolorana ireo asa fanamboarana sy fanokafana ny fitaterana an-tariby, zotra volomboasary mampifandray an’Anosy hatrany Ambato­be.
Ao anatin’ny andrana teknika ny mpikaraka izany ankehitriny. Hisokatra amin’ny ampahany mandritra ny fihaonana an-tampon’ny Sadc ny zotra. Hitohy roa hatramin’ny efa-bolana manaraka ny fisokafany mialoha ny hiasany tanteraka ho an’ny daholobe.
Efa nampanantena ny avy amin’ny SENVH fa anisan’ireo fotodrafitrasa hitsenana ny Sadc ny Lac Iarivo. Efa hiasa ny ampahany voalohany amin’ny fanajariana toy ny fanitarana ny lalana hisian’ny lalan’ny bus, ny Village artisanal, ny Promenade urbaine, ny Jet d’eau, ny Palais des expositions.

Tatiana A

Partager sur: