East African Girls Empowerment and Resilience : Hentitra ny fanaraha-maso ny vatsim-pianarana

Nampahafantarina nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, ny momba ireo masontsivana amin’ny fahazoana vatsim-pianarana sy ny fitantanana ny tahirim-bola ao anatin’ny fandaharanasa East African Girls Empowerment and Resilience (Eager), izay vatsian’ny Banky iraisam-pirenena .
Fanamafisana ny fanabeazana, fizakan-tena ary fahafahan’ireo ankizivavy sy vehivavy miharindoha no tena tanjon’ny fandaharanasa. Tafiditra ao anatin’izany ny fanomezana vatsim-pianarana ho an’ireo ankizivavy any amin’ireo faritra marefo.
Hahafahana misitraka ny vatsim-pianarana hianatra eny amin’ny sekolim-panjakana, CEG, izay ao anatin’ny faritra 16 miara-miasa amin’ny tetikasa ity masontsivana ity. Voakasik’izany ny kilasy T6, T7 ary T8. Ho an’ireo namerina kilasy dia tsy maintsy mandray anjara amin’ny fanadinana atao isaky ny roa volana izy ireo ka hamarinina ny naoty.
Foana avy hatrany kosa ny vatsim-pianarana ho an’ireo izay miala an-daharana sy ireo tsy mandray anjara amin’ny fanadinana fitsapam-pahaizana.
Nomarihin’ny Filoham-pire­nena fa tsy maintsy arahana akaiky ny fizarana ny vatsim-pianarana mba tena hipaka amin’ireo tena mila izany.
Tsy maintsy hisy koa ny fitsirihana tampoka ary hampanarahana ny haitao ara-kajy mirindra avokoa izany fanaraha-maso izany.

Tatiana A

Partager sur: