Fondation Axian : Nahazo fitaom-pianarana ny FCRA

Ho fiatrehana ny fampidirana mpianatra ho an’ny taom-pianarana 2025-2026, nanohana ireo ankizy zanaky ny fiankaaviana sahirana sy kamboty etsy amin’ny Fifanampiana Centre Rassoul Akram (FCRA) Antohomadinika ny Fondation Axian.
Nitondra kojakojam-pianarana ho fankaherezana ireo ankizy hanohy fianarana sy hazoto amin’izany ny fikambanana. 400 ny kit scolaire nozaraina amin’ireo mpianatra. Misy mpianatra manomboka amin’ny garabola hatramin’ny ambaratonga ambony ao amin’ny FCRA ary hisitraka izany tohana ara-pitaovana izany izy ireo.
Nilaza ny tomponandraikitra avy amin’ny Fondation Axian, Razakamanantsoa Jessica, fa mahatratra 1000 ny ankizy hisitraka fitaovam-pianarana amin’izao fidiran’ny mpianatra izao eto Antananarivo.
Ireo ankizy tena sahirana any amin’ny akany na ireo kamboty no hahazo izany, hanampiana sy handrisihina azy ireo ho tia fianarana na dia tsy ampy aza ny eo an-tanana.
Ankizy 200 kosa no tena raisina an-tanana maharitra ao amin’ity toerana ity, raha ny fanazavan’ny mpandrindra ny asan’ny FCRA, Paul Armand.

Tatiana A

Partager sur: