Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny fanomezana ireo fitaovam-pianarana, toy ny kahie, sns… Natao ho an’ireo mpianatra amin’ny sekolim-panjakana izany. Kilasy T1 hatramin’ny T5 maherin’ny 1 tapitrisa no hisitraka ny fitaovana manerana ny Nosy.
Ny filankevitry ny minisitra ihany koa no nankatoa ny hamerenana ny foibem-pahefana misahana ny fananganan-jaza malagasy, hanolo ny sampandraharahan’ny fananganan-jaza ankehitriny. Tanjona ny hametrahana ny rafitra sy fomba fiasa manaraka ny lamina mazava ho fiarovana ny zon’ny ankizy.
Fanararaotra hianarana zavatra hafa ary hanitarana amin’ny sehatra vaovao ny fotoam-pialantsasatra toy izao. Mianatra teny vahiny, mahandro sakafo, manao taovolo, manjaitra, informatika…Tsy tokony ho lanilany fahatany ny fotoana, indrindra ho an’ny tanora fa irosoana sy ivelarana amin-javatra mahasoa.




