TSELATRA

Nitombo iray indray ny maty tamin’ilay tranga teny Ambohimalaza, ny 14 jona lasa teo. Namoy ny ainy, omaly, tao amin’ny hopitaly HJRA, ny tovovavy iray, rehefa notsaboina nandritra ny fotoana naharitra teny an-toerana. Efa nivoaka ny hopitaly io tovovavy io teo aloha fa naverina indray satria nananosarotra ny aretina. Mbola misy olona iray manaraka fitsaboana hatramin’izao. Tafakatra 33 izany ireo maty.
Ankizivavy iray no nitaraina ho niharan’ny fanolanana nataon’ny tovolahy enina mpiara-mianatra taminy, efa-bolana lasa izay. Niseho tany am-panaovana dia fibeazana nokarakarain’ny sekoly iray io zava-doza io. Nampisotroin’ireo namany zava-mahadomelina izy ary nohararaotina avy eo. Efa misokatra ny fanadihadiana.
Lehilahy telo tratran’ny polisy nangalatra kojakojana fiara teny Saropody, afakomaly maraina. Nifanehatra tamin’ny Polisin’ny boriborintany faharoa, Ambohijatovo, manao fisafoana izy ireo. Rehefa nosavaina dia nahitana entana halatra. Niaiky izy ireo fa entana avy nangalarina ireo teny aminy. Nentina nohadihadiana eny amin’ny biraon’ny polisy izy ireo taorian’izay.
Lehilahy iray 44 taona nitondra moto no niharan-doza tetsy amin’ny lalana Masay, afakomaly tamin’ny 1 ora sy sasany atoandro. Raha ny fizahana nataon’ny mpitandro filaminana, fantatra fa mamo ary mbola nahenoana fofon’alikaola io lehilahy io. Nentina notsaboina eny amin’ny hopitaly Homi Soavinandriana izy taorian’ny loza.

Partager sur: