Fametavetana ankizivavy : Olona roa mpisakaiza tra-tehaky ny polisy

Tsy afa-bela. Saron’ny polisy ireo mpifankatia niketrika ny fametavetana zaza tsy ampy taona, tao Toamasina. Ankizy miisa 10 no notazomin’izy ireo tamin’izany.

Tra-tehaky ny polisy tany Ambolomadinika, parisela 21/21 Toamasina, ny herinandro teo, ireo olona roa mpisakaiza, atidoha nikotrika ny fanodinkodinana sy fihazonana an-keriny zaza tsy ampy taona. Voalaza fa ampanaovan’izy mivady ireo fihetsika mamoafady ireo zaza ireo. Alaina sary, aparitaka ary amidy aman’olona tia mijery sarimihetsika mamoafady izany avy eo. «Asaina esorina ny akanjo anaovanay, ampanaovina fihetsika mamoafady rehetra, ary mbola asaina ampidirina ao anatin’ny fivavianay ny tananay », raha ny fitantaran’ireo ankizy ireo.

Ankizy miisa 10 no notazomin’izy ireo tao anaty trano nandritra ny andro maromaro. Manodidina ny fito taona ny zandriny indrindra, raha 20 taona ny zokiny indrindra tamin’ireo ankizy niharan’ny herisetra ireo. Omena 20 000 Ariary izay azo sary sy nanao ny zavatra nampanaovina azy. Tafaporitsaka ny telo tamin’ireo ankizy ireo ary nitantara ny zava-nitranga nahazo azy ireo tamin’ny ray aman-dreniny avy. Tonga nitory teny amin’ny polisim-pirenena ireo nahalala ny zava-misy. Nikaroka sy ni­sambotra ireo nahavanon-doza kosa ny mpitandro filaminana. Tratra tao an-trano niaraka tamin’ireo ankizy hafa efa niboridana izy mivady ireo.
Efa maro ny ankizivavy kely tsy hita tany Toamasina. Mety ho izao no antony mahatonga azy ireny tsy hita, raha ny fanazavana. Anisan’ny mahasarika teratany vahiny ny fividianana ireo sarimihetsika mamoafady ataon’ny ankizy tsy ampy taona.

Sajo

Partager sur: