Mangetaheta fivoarana ny vehivavy ao amin’ny faritra Boeny. Nitondra fampiofanana ny fanjakana hampiakarana ny lentan’ny fidiram-bola sy hampahaleovan-tena azy ireo ara-pivelomana.
Nampiofana ireo fikambanam-behivavy ao amin’ny faritra Boeny ny minisitry ny Asa sy ny fampanananasa ary ny asam-panjakana, tamin’ity herinandro ity. Maherin’ny 50 ireo fikambanana nisitraka izany fiofanana izany.
Tanjona ny hanomezana azy ireo ny fahaiza-mitarika, ny fahalalana momba ny fananganana sy fitantanana tetikasa ary ny lafiny fandraharahana. Faniriana ny hahafahan’ireo vehivavy mandray anjara mavitrika amin’ny fampandrosoana ara-toekarena.
Nomena fahaizana ireo mpandray anjara mba hitarika sy hitondra fiovana eo anivon’ny fiarahamonina misy azy. Nianatra fomba fiasa mahomby amin’ny fanomanana, fitantanana ary fanatanterahana tetikasa maharitra izy ireo.
Nofanina manokana momba ny fananganana sy fitantanana orinasa kely ihany koa izy ireo. Tajona ny hahatongavany ho tomponandraikitra amin’ny fidiram-bolany manokana.
Ankoatra ireo atrikasa nifanakalozana, nisy ihany koa ny fijoroana vavolombelona nentin’ny manam-pahaizana manokana momba ny fiompiana, izay nanome aingam-panahy ho an’ireo vehivavy ireo hitrandraka sehatra maharitra.
Ao amin’ny faritra Boeny, efa mikiry miasa, mampidi-bola ho an’ny ankohonana ny vehivavy. Misehatra amin’ny sampana maro hatramin’ny jono, fambolena, fiompiana, varotra, fitantanana orinasa madinika sy salantsalany…
Tsy ho vesatry ny fiarahamonina intsony ny vehivavy fa tena ho fanoitra ho an’ny fampandrosoana tanteraka amin’ny ezaka ataony. Hahaleo tena ara-pivelomana ary ho fitaratra eo amin’ny fiarahamonina mihitsy.
Hitondra ambony kokoa ny fiharian’ireo vehivavy sy renim-pianakaviana sy hampiakatra ny fahaiza-manaony amin’ny fitadiavam-bola hataony, araka izany, ny fiofanana nomen’ny fanjakana.
Tatiana A




