Nankahery sy namangy ilay Inspektera naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga tany Tsiroanomandidy, ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur général de Police Rakotoarimanana Herilala, sy ny mpiara-miasa aminy, omaly. Nahazo fitsaboana sahaza azy ireo olona roa tao anatin’ny fiara izay naratra ka anisan’izany, io mpitandro filaminana io. Voatery nakarina aty an-dRenivohitra ny andro nitrangan’ny loza, noho ny ratra mafy nahazo azy, io polisy io. Tsy ahina ny fahasalaman’ireo naratra tamin’ity lozam-pifamoivoizana ity. Tsiahivina, nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina tao amin’ny PK 54 +200, hidirana ny tetezan’Imanga, Tsinjoarivo, distrikan’i Tsiroanomandidy, afakomaly. Nivadika ny fiara ary nifatratra tamin’ny sisin’arabe. Olona roa namoy ny ainy ka polisy avokoa izy ireo. Koamisera lehiben’ny polisy ao Tsiroanomandidy ny iray. Nentina nakarina nihazo an’Antananarivo ny polisy iray hafa naratra. Namita iraka manokana avy any Ankadinondry ireo polisy no tra-doza tampoka. Entina hihazo ny tanindrazany any amin’ny distrikan’i Mandritsara, faritra Sofia, ilay kaomisera namoy ny ainy, anio.
Tsiferana R.




