Fitaterana an-tariby : Hisokatra ho an’ny daholobe tsy ho ela

Nitondra fanazavana ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao fa hanomboka ny 15 aogositra izao ny fisokafan’ny zotra an-tariby mampifandray an’Anosy amin’Ambatobe. Io no fanokafana amin’ny fomba ofisialy ary hitohy ho an’ny daholobe izany manomboka ny 16 aogositra.
Ho fanazarana ny mponina amin’ny fampiasana ity zotra ity no hatao ety am-piandohana. Ao anatin’ny ora voafetra ihany aloha no hisokafan’izany. Manomboka amin’ny 7 ora hatramin’ny 9 ora maraina sy amin’ny 4 ora ka hatramin’ny 6 ora ny hariva. Groupe électrogène no ampiasaina hampihodinana ny TPC anatin’izay fe-potoana izay.
Nanazava ny tomponandraikitra fa ao anatin’izao fe-potoana fisokafany amin’ny ampahany izao dia hiroso amin’ny famitana ny asa fampifandraisana amin’ny tambajotran’ny herinaratra izay iaraha-miasa amin’ny Jirama izy ireo.
Hapetraka ny orinasa natokana handrindra sy hitantana izany. Hisitraka fiofanana manokana ny mpiasa rehetra hoentina manome tolotra mifanaraka amin’ny fenitra.
Tsy hisy fikatonana intsony fa hitohy hiasa manontolo isan’andro ny fitaterana an-tariby aorian’izay.

Tatiana A

Partager sur: