Fotoana hiseharan’ny tanora amin’ny tontolo politika sy fiarahamonina izao. Nivoitra izany nandritra ny fanehoan-kevitr’i Giovanni Jimalison, maintimolaly ao amin’ny Yali RLC Dakar, nandritra ny resaka natao tao amin’ny e-talk.
“Anisan’ny tena imasoan’ny firenena maneran-tany ny fandraisan’ny tanora an-tanana ny firenena sy ny sehatra maro mba hitondra fanovana”, hoy i Giovanni Jimalison. Miezaka mitady lalana hanomezana anjara toerana ny tanora avokoa izao na ny firenena mikambana aza.
Tamin’ny taona 2023 dia efa tsikaritra fa 6 taona sisa tsy hahatongavana amin’ny taona 2030 izay nivoizana fa ny tanora no hoavin’ny firenena. 10% ny tanjona napetraka ihany anefa no tratra amin’ny taona 2030. Midika izany fa misy paikady tsy mety ao tsy nahafahana mahatratra izany tanjona izany.
70% ny mponina eto an-tany dia latsaky ny 35 taona avokoa. Mila omen-danja ireo hampidirana azy anaty fahefana manapa-kevitra. Tsy tokony hisy intsony ny fisalasalana ny hanomezana vahana ny tanora handray ny sehatra fampandrosoana na amin’ny toekarena na amin’ny fiarahamonina, indrindra ny politika, izay tena mila ny rivo-baovao avy amin’ny tanora mihitsy.
Mila mijoro sy sahy ary mandroso ny tanora ahafahan’izy ireo mandray izany fitantanana izany. Mila omena sehatra izy ireo hahafahany mitondra izany hevi-baovao mankany amin’ny fiovana ara-pandrosoana izany. Ny tanora no mitondra hery mampihetsika ho fanovana ny tontolo manodidina sy ny fiarahamonina misy azy. Mety sakana ny tsy fahaizana sy ny tsy fahampiana traikefa kanefa mila manao mihitsy izay vao mahita sy mahafantatra ary manatsara.
Isika tanora amin’izao no ho eo amin’ny fitondrana rahatrizay. Mila tonga saina dieny izao handray an-tanana ny momba antsika, hianatra handray andraikitra. Fiainam-pirenena ilay hokojakojaina. Maro ny olana sy tsikera kanefa mila mijoro sy sahy, miroso, manangana vahaolana.
Efa betsaka ny soa fanararaotra tsy tokony holalovam-potsiny fa tena hataontsika tanora fanoitra itomboana sy hisongadinana. Misokatra amin’ny sehatra maro izany na amin’ny tontolo iainana na amin’ny fiarovana ny zon’olombelona, ny fampianarana, toekarena…
Misy ny tetikasa maro afaka hidirana. Ilaina ny mahaleo tena amin’ny fitantanana tetikasa, hitondra fiovana, hitarika olona…Mampihatra izany eny an-kianja amin’izay avy eo.
Misy koa ny fandraharahana izay tokony hiantseharan’ny tanora amin’ny alalan’ny fampananan’asa. Mahazo tosika be ny tetikasa misy fiantraikany amin’ny fiarahamonina amin’ny sehatra maro. Mila sahy miantsehatra amin’ireny.
Eto Madagasikara, vitsy ny tanora mahafantatra sy misehatra anatin’ny fiarahamonina sy ny sehatra politika. Ao ny tsy fahafantarana, tsy mikarokaroka…. Eo koa anefa ny resaka ara-drafitra. Misy hafatra tokony hampitaina amin’ny tanora na ny rafitra fampitam-baovao mihitsy no tsy mipaka any amin’ny tanora ary sakana sy mahatonga ny tsy faharisihana izany.
Latsaky ny 1% ny tanora ihany no tafiditra anaty sehatry ny fandraisana andraikitra. Mbola mitaky fiaraha-mientana ny hanatrarana ny fanatanterahana izany.
Tsy tafiditra anaty rafi-panabeazana rahateo ny fanentanana ny tanora hanana fahasahiana hiantsehatra avy hatrany. Mila beazina ny sain’ny tanora amin’ny zo sy ny lalànan’ny olom-pirenena hahafahany mihetsika sy manana fijery lavitra.

Miainga amin’ny fanabeazana ao an-trano
Ao an-tokantrano ny fototra iaingan’ny famolavolana ny tanora hanana fahasahiana hiantsehatra amin’ny fandraisana andraikitra amin’ny hoaviny sy ny fiarahamonina manodidina azy. Mila manaiky ny fiovana misy entin’ny fandrosoana amin’izao ny ray aman-dreny.
Ilaina ny fahaizana mifampiresaka ao an-trano. Ny tanora tsy voasaky ny fampianarana ao an-trano intsony fa maro ny zavatra ety ivelany manefy ny sainy sy mampivelatra azy.
Mila hain’ny ray aman-dreny ny zavatra mety mahaliana azy sy tiany. Tsy terena amin’ny fijerin’ny ray aman-dreny ny ankizy fa mila mifampihaino sy mifanohana. Mila omena fahalalana ny zanaka hahafahana manitatra fomba fijery sy manorina ny hoaviny.
Na izany aza, mila matotra sy hentitra amin’ny fanabeazana ny zanaka. Rehefa tsy mahasoa dia ferana toy ny finday, fety, zavatra tsy mahasoa…
Ny tanora mila mahay mandray ny hevitry ny ray aman-dreny. Ny mahasoa foana aloha vao ny mahafinaritra. Dieny mbola eo ny ray aman-dreny dia hararaotina ny hahazoana soa. Mila kojakojaina ny hodididin’ny fiainana ahafahana mandrafitra ny hoavy.
Tatiana A




