Ho an’ny taona 2025-2026: Nohatsaraina ny fomba fiatrehana ny loza

Nampitovy fomba fijery amin’ny fiatrehana ny loza voajanahary ny minisiteran’ny Mponina sy ny BNGRC. Nisy ny fifanakalozana amin’ny fandrindrana ny asa sy ny andraikitra raisina momba ny fiahiana ara-tsosialy manampy amin’ny fiatrehana ny loza voajanahary ho an’ny taona 2025-2026.
Tanjona ny hampitomboana ny fiaraha-miasa amin’ireo andrimpanjakana rehetra sy ireo mpiara-miombon’antoka miandraikitra ny fanohanana ireo vahoaka marefo manoloana ny loza.
Nojerena ny fanatsarana ny rafitra enti-mandrindra sy manatsara ny fahombiazana hatrany ny asa famonjena sy ny asa fiahiana ara-tsosialy manampy amin’ny fiatrehana ny loza voajanahary. Fana­vao­­zana ny naoty fifampifehezana ny asa vonjy sy ny fiahiana ara-tsosialy manampy amin’ny fiatrehana ny loza. Fanavaozana ny tahan’ny fanampiana fototra maha olona ilaina, mifanaraka amin’ny sanda lasitry ny fandaniana ara-piveloman’ny fianakaviana, hanomezana fanampiana mitovy sy ara-drariny ho an’ny traboina.
Fampidirana ny rejisitra sosialy iraisana (RSU) ao anatin’ny drafitra famaliana, ho fanatsarana ny fomba fitiliana ireo tokantrano tena marefo.
Kendrena ny fihatsarana ao amin’ny fandrindrana iraisan-tsehatra eny ifotony, eny anivon’ny faritra fa indrindra ny avy aty amin’ny nasionaly. Hatsaraina koa ny fomba hifantenana ireo tokantrano tena marefo tokony hisitraka an’ireo fanampiana na avy amin’ny fitondram-panjakana izany na avy amin’ny tsy miankina …

Tatiana A

Partager sur: