Tanterahina ao Morondava ny atrikasa handrafetana ny tatitra nasionaly momba ny fampiharan’ny Governemanta malagasy ireo fifanarahana iraisam-pirenena mahakasika ny asa izay nankatoavin’i Madagasikara. Miara-mandrafitra izany tatitra izany ny solontenan’ireo mpiara-miombon’antoka ara-tsosialy.
Tao amin’ny distrikan’i Fenoarivo Atsinanana no nampiofanana momba ny fiompiana akoho gasy nohatsaraina sy fikarakarana karazana mofomamy ary ny taovolo. Ao anatin’ny tetikasa “Fijery Hafa” ataon’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika ny hetsika. Ireo fiofanana ireo dia mikendry ny hanomezana fahaiza-manao maharitra ho an’ny tanora, ary hanohanana ny asa fivelomana sy fandraharahana eny ifotony.
Efa miandry fatratra ny fisokafan’ny lalana vaovao mampitohy an’Ivato amin’Andranotapahina ny rehetra. Manafaka tanteraka ny fitohanana any Ambohibao sy talatamaty ny fisokafan’io satria mamonjy iny lalana iny avokoa izay hody hiankandrefana.




