Ho fanampiana ny tanora hirotsaka amin’ny sehatry ny asa aorian’ny fahazoana diplaoma, manofana maimaimpoana ireo tanora manana mari-pahaizana amin’ny « comptabilité » ny Contribution et promotion vers l’avenir (CPA).
Fandaharanasa hampiroboroboana ny fampananana asa no tanjona miaraka amin’ny fanofanana enim-bolana, araka ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanana CPA, Ramiaramanana Rija Francis, ny faran’ny herinandro teo, teny Ambohimalaza. Mpianatra manana ny mari-pahaizana bakalorea G, Licence, Master I –II no mifaninana hiditra ho mpiofana ka ireo 20 nisongadina no raisina hanatrika ny fampianarana sy ny fianarana asa avy hatrany. Mitombo isan-taona ireo liana sy misoratra anarana handray anjara amin’ny fifantenana eto Antananarivo, izay efa namoaka andiana tanora maro. Rehefa vita ny fiofanana, mahita asa avokoa ny 90% raha mbola manohy fianarana ny 10% amin’ireo tanora. “Collaborateur comptable offshore” ny andraikitra sahaniny ary mandray an-tanana ny antontan-taratasin’ny orinasa vahiny (frantsay) avy hatrany ireo mpiofana. Nandritra ny fotoana niparitahan’ny Covid-19, niroborobo ny asa tsy nihetsika tany an-trano na amin’ny alalan’ny fikirakirana teknolojia ary mitohy amin’izao fotoana izao.
Andiany dimy, roa avy any Antsirabe ary telo teto Antananarivo no niaraka navoaka ny faran’ny herinandro teo. Niezaka mafy ireo mpianatra ka mendrika ny hankasitrahana, hoy ny filohan’ny fikambanana. Hoavy tsara ho an’ny fampianarana maneran-tany ny mampiaraka ny fianarana sy ny asa araka ny fironana amin’izao fotoana izao.
Niorina ny taona 2019 ny fikambanana CPA, 160 mpianatra nivoaka nandritra izay ka nijanona niasa ao ihany ny 90%. Mbola malalaka be ny tsenan’ny asa ho an’ny sehatra comptabilté- finance ary mihabetsaka ny orinasa mila “comptable” misahana ny comptabilité ho an’ny orinasa frantsay.
Orinasa vahiny maro (amin’ny alalan’ny RSE) no manohana ny fandaharanasa fampiofanana maimaimpoana nahafahana nanohy hatramin’izao. Miara-miasa amin’ny holafitry ny Experts comptables et financiers de Madagascar (OECFM) koa ny fikambanana.
Vonjy




