Nisy fandidiana fanarenana faobe ireo vehivavy tratry ny aretina mamany lava eo anivon’ny CHRR Amboanato ao amin’ny faritra Anôsy. Natao hameranana indray ny hasin’ny maha olona sy hamerenana ireo vehivavy niharan’ny fanilikilihana teny anivon’ny fiarahamonina izany. Miara-manatanteraka izany ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny sehatra ara-pahasalamana maro.
Nihaona tao amin’ny orinasa Ambatovy ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa sy ny solontenan’ny orinasa Ambatovy. Tanjona ny hanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny fanohanana ny fampianarana teknika sy ny fiofanana arakasa. Nifantoka tamin’ny fanomezana fahafahana bebe kokoa ho an’ny tanora hianatra asa sy hahazo fahaiza-manao mifanaraka amin’ny filan’ny tsena izany. Ho fanomanana ireo mpianatra ihany koa hiditra amin’ny sehatry ny asa sy ho mpandraharaha.
Mbola mahasarika ny mpialasasatra malagasy ny fitsidihana ny distrika sy ny kaominina manodidina ny Renivohitra. Anisan’izany ny kaominina Ampefy izay manana toerana mahaliana ny rehetra toy ny Ilôt de la vierge, La chute de la Lily sy ny Geyser. Mijanona herinandro eo ho eo ny mpitsidika amin’ny ankapobeny ary miantrano amin’ireo toeram-pandraisana vahiny samihafa.




