Toamasina : Tsy afa-po tamin’ny didim-pitsarana ny niharam-boina

Taorian’ny nahatrarana ilay jiolahy nandroba Cash point, ny 24 jona lasa teo, nivoaka ny didy manameloko azy. Tsy afapo tamin’izany ny niharam-boina

Ny 6 aogositra teo, nivoaka tetsy amin’ny Lapan’ny fitsa­rana am­ba­ratonga voalohany ny didim-pitsarana ilay raharaha momba ilay jiolahy tratra ambodiomby ka saika matin’ny fitsaram-bahoaka, ny 24 jona lasa teo, raha nikasa handroba Cash point. Ny 30 jolay teo ny fotoam-pitsarana ampahibemaso ny antontan-taratasin’ady laharana faha-1724/RP/25 IS/SS/LT, anenjehana an’i Natolonja­nahary Andre. Nandritra ny fotoam-pitsarana, niaiky izy fa nandroba saingy tsy mbola nahazo vola kosa. Ankilany, nilaza ny niharan’ny herisetra raha nanontanian’ny mpitsara mpanao famotorana fa nokendaina ilay renim-pianakaviana izay mitaiza kely miasa ao amin’ilay Cash point. Naratra vokatr’izany ilay zaza teny an-trotroany izay voalazany fa nianjera teo ambony simenitra. Nisy fahasimbana koa ny fitaovana fampiasa tao an-toerana. Nitaky onitra 2 tapitrisa ariary ny niharam-boina, araka izany. Vokany, nilatsaka ny didim-pitsarana ka fanamelohana enim-bolana sazy mihantona sy onitra 100 000 Ariary no azon’ilay jiolahy tratra ambodiomby ity, izay efa naiditra am-ponja vojimaika ny 25 jona lasa teo. Ny fokonolona izay manaraka akaiky ity raharaha ity dia samy nilaza fa tsy afapo tamin’ny didy nivoaka.
Raha iverenana ny raharaha, ny talata 24 jona teo tokony ho tamin’ny 3 ora tolakandro tetsy amin’ny fokontany Morafeno, niditra tao amin’ilay Cash point ity jiolahy voarohirhy ity. Nakatony ilay tsena ary nokendainy tao ilay renim-pianakaviana  ary notereny hamoaka ny vola sy hanome azy ny finday rehetra tao. Tsikaritry ny manodidina kanefa izany ka mailo avy hatrany izy ireo. Tsy naharitra ela izany, indro fa nivoaka tampoka avy tao ilay jiolahy ary nitsoaka nihazo ny lalam-pasika. Raikitra ny fifanenjehana ka tratra tsy lasa lavitra ny toerana nanafihany akory ilay olon-dratsy. Niharan’ny daroka, kapoka isan-karazany ary nisy mihitsy efa nikasa handoro velona ity jiolahy ity. Nisy anefa ny niantso polisy ka voasoroka ny fitsaram-bahoaka saika niseho.

Sajo

Partager sur: