Herisetra an-tsekoly : Mitarika olana ara-tsaina amin’ny ankizy niharany

Zava-misy eny anivon’ny sekoly eto amintsika ny herisetra an-dakilasy fa sarotra ny miresaka azy noho ny tahotra sy ny henatra ary ny fitsaran’ny fiarahamonina. Misy fiantraikany ara-tsaina eo amin’ilay zaza sy ny ankizy niharany anefa iizany.

Notanterahina ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny Ivokolo Anala­kely, ny hetsika “Aoka izay ny herisetra an-tsekoly” (andiany faharoa) karakarain’ny fikambanana Psy-kôzy Mada­gascar. Novelabelarin’ny matihanina amin’ny psikolojia, Ny Avo Hasimaro, ny herisetra an-tsekoly sy ny psikolojian’ny ankizy. Niaina imaso sy an-tsofina ny herisetra an-tsekoly ireo mpanatrika tamin’ny alalan’ny slam sy ny tononkalo ary soradihy. Tao anatin’ny velakevitra kosa, maro ireo ray aman-dreny sy ankizy niharan’ny herisetra an-tsekoly no nijoro vavolombelona sy nizara ny zavatra niainany. Niteraka olana teo amin’ilay zaza ary manohintohina ny fivelarany amin’ny fianarana sy ny fifandraisany amin’ny manodidina azy izany. Mety miseho amin’ny endrika maro ny herisetra an-tsekoly fa matetika ny zazalahy no mpanao ny herisetra ary ny ankizivavy ilay iharany. Indraindray koa ny mpanabe no manao fihetsika na fiteny mampiseho herisetra an-kolaka na mivantana amin’ny ankizy eo ambany fiadidiany.
Tanjon’ny hetsika ny hanentanana ny daholobe hisorohana ny herisetra an-tsekoly sy hampahafantatra ny antony sy ny fisehony ary ny zavatra azo atao hiadiana amin’izany. Tafiditra amin’ny tetikasa “Komby” ny fanentanana hisorohana ny fikorontanan-tsaina mifandraika amin’ ny herisetra miseho any an-dakilasy. Fotoana koa nanaovana haitaky ho an’ny sekoly eto Madagasikara, hanomezana tontolo hivelaran’ny zaza rehetra anatin’ny fanajana ny hafa ny atrikasa ny faran’ny herinandro teo.
Araka ny fanadihadiana nataon’ny Imaso-Ivoho, ny taona 2023-2024, nilaza ny 58% ny mpianatra 10 ka hatramin’ny 21 taona fa efa niharan’ny herisetra an-tsekoly avokoa. Voakasika avokoa ny ambaratongam-pampianarana, manomboka amin’ny voalohany hatrany amin’ny Lycée ary isehoany avokoa na sekolim-panjakana na ireo miahy tena.

Vonjy

Partager sur: