INDRAY MIJERY

Azo hanoherana ny herisetra an-tsekoly ny fahatokisan-tena. Rehefa manana izany ny olona iray ary hainy ny mametraka fetra amin’izay tsy zakany sy tsy tokony hiaretany, ho sahy kokoa izy hanohitra ny tsy rariny iainany na ihany koa iainan’ny hafa atrehiny maso. Ny fanontaniana tsara mipetraka dia ny hoe: ahoana no ambolena sy amolavolana ny fahatokisan-tena, indrindra raha iharany na avy niharan’ny herisetra an-tsekoly?

Sarotra ny mahita akondro tsara endrika sy masaka eny amin’ny tsenam-pokontany amin’izao fotoana izao. Lafo rahateo ny vidiny satria indraindray misy mahatratra 4 000 Ar ny iray kilao. Ireo mpanotrika fakana akondro mihitsy no tsy manana ka lafo vao mahita hovidiana ny mpamongady. Rehefa vanim-potoana ririnina tahaka izao, ratsy endrika ny akondro tonga eny amin’ny tsena.

Mpianatra miisa 127 no navoaka sy nizarana mari-pahaizana Licence en droit tao amin’ ny sampam-piofanana Lalàna sy haipolitika ( Faculté de droit et des sciences politique-FDSP) tao amin’ ny oniversiten’i Fianarantsoa, misalotra ny anarana Altius, andiany voalohany izy ireo.

Partager sur: