Théophile, mpivarotra, manan-talenta : Maniry ny hahay mamaky teny sy manoratra

Mpivarotra iray tsy vahiny etsy Ana­lakely i Théophile. Manana olana ara-pahasalamana izy, saingy manana ta­lenta hafakely, izay efa voajanahary ta­min’ny tenany. Ma­nana faniriana ny hahafehy ny famakiana teny sy ny fanoratana izy.

Manan-talenta! Lehilahy iray efa 40 taona i Théophile na i Théo. Mivarotra fitoerana fera sy vilany ary fametrahana labozia amin’ny endriny hafa mihitsy, etsy Analakely, ny fitadiavam-bolany. Nisy ny fanadihadiana natao taminy, omaly, teny an-toerana. Marihina fa manana aretina «épilepsie» fony izy vao teraka, i Théo­phile, araka ny nambaran’ny reniny. Manana faniriana ny lehilahy, anisan’izany ny mba hahay mamaky teny sy manoratra. Raha ny fanazavana nataon’ny reniny, tsy nahazo mianatra izy noho ny aretina nahazo azy. “Tsy mba afaka nianatra toy ny ankizy rehetra izy tamin’izany fa tsy navelan’ireo fianarana noho ilay aretina ananany. Mampalahelo ihany ilay zava-misy saingy raha mbola eto ny tenako, manampy azy foana aho», hoy ny maman’i Théophile. Ankoatra izay, manaraka fanafody isan’andro i Théo, ary mandray ireo tolo-tanana rehetra sy ireo izay vonona ny hifanampy aminy ny tenany sy ny fianakaviany. «Tsy mangataka izahay, saingy mandray kosa ireo fanampiana atolotry ny olona, mba hanohanana ny zanako, amin’ity talentany ity», hoy ihany ny reniny

Talenta voajanahary

Nilaza ireo olona akaiky azy fa tsy nisy olona nampianatra azy nanao io taozavatra ao an-trano io, fa aingam-panahy avy amin’ny olona hita teo amin’ireo mpivarotra manodidina tamin’ny andro taloha tany no nampitsiry ilay faniriany hanao an’ity asa tanana hafakely sy mahasarika ny maso ity. “Manan-talenta ny zanako ary tsy nisy nampianatra azy nanao io zavatra io. Taloha, fony izahay mbola teny amin’ny toeran-kafa no nivarotra, misy olona izay, mivelona amin’ny fivarotana an’izy itony. Taorian’io, na­nandrana izy ary tafavokany tsara izany”, tenin’ i maman’i Théophile. Fitaovana toy ny «Ballard métallique» sy ny kapoaka, no akora ampiasainy hanamboarana ny entana hamidiny. Tsy dia mandany fotoana maro izany ny lehilahy manao ny fitaovana iray fa iray minitra eo ihany, dia efa ahafahany mahavita zavatra iray. Jifaina amin’ny vidiny
1 000 Ariary ny entana mora indrindra eo aminy ary 2 000 Ariary ny lafo indrindra. Raha ny fanampim-panazavana azo avy amin’ny reny niteraka an’i Théo hatrany, hividianany zavamaneno toy ny Radio sy fitaovana fakana feo, ny vola azony amin’izany. «Mbola etohanay ny sakafony, fa tsy alainay ireny vola mba azony ireny. Havadiny ho Radio sy Dictaphone ny vola azony amin’itony fitaovana itony.» araka ny filazan’ny renin’i Théophile, hatrany.
Misy karazany roa
ny aretina « épilepsie »

Araka ny fikarohana na­tao, ny «épilepsie» dia aretin’ny atidoha vokatry ny fikorontanan’ny herinaratra ao amin’ny sela-misaina na «Activité électrique des neurones», izay miteraka krizy tampoka. Ireo krizy ireo dia miseho amin’ny endrika samihafa: mety hahavery saina tampoka, hiteraka fihorohoroan’ny vatana, na hanova tampoka ny fihetsika sy ny fijery. Indraindray aza, rehefa tapitra ny krizy, dia tsy mahatsiaro izay nitranga ilay marary. Maro ny antony mety hiteraka ny epilepsie: ny fahasimban’ny atidoha hatrany am-bohoka, ratra na lozam-pifamoivoizana, aretina toy ny tazomoka mafy, na lova avy amin’ny fianakaviana. Misy karazany roa lehibe io aretina io: ny krizy lehibe izay mampiforitra sy mampikorontana ny vatana manontolo, ary ny krizy kely izay miseho amin’ny fijery tsy mihetsika mandritra ny segondra vitsy. Ny fi­tsaboana dia ahitana fanafody manokana antsoina hoe antiépileptique, izay tsy maintsy arahana tsy an-kiato, ary indraindray koa fandidiana raha tsy voafehy amin’ny fanafody. Raha sendra misy olona tratran’ny krizy dia apetraho amin’ny sisiny izy mba tsy ho sempotra, arovy ny lohany, ary aza asiana zavatra anelanelan’ny nifiny. Aza tazonina mafy ny vatany, ary antsoy avy hatrany ny mpitsabo raha maharitra mihoatra ny 5 minitra ny krizy na miverimberina tsy mitsahatra. Ny fahalalana sy ny fandraisana andraikitra ara-potoana no antoka hanampiana ny olona voan’io aretina io hiaina ara-dalàna sy amim-pilaminana.

Nanatontosa : Fitia Randria

Partager sur: