TSELATRA

Roa lahy naiditra am-ponja eny Antanimora, ny sabotsy 9 aoagositra teo, taorian’ny nahatraran’ny polisy azy tetsy Antohomadinika IVO. Nangalatra jiro tao an-tokotanin’olon-tsotra izy roa lahy ireo, ny alakamisy 7 aogositra teo, ka noraisim-potsiny.
Taxi-be 133 tapaka hisatra tampoka ka nifatratra tamin’ny tranon’olona teny Itaosy, omaly. Potika tanteraka ny lohan’ilay fiara. Tsy nisy ny aina nafoy.
Notanan’ny zandary ny mpamilin’ny fiara mpitatitra solika nahatrarana rongony 50 kg tao Iaritsena, distrika Ambalavao, afakomaly. Niakatra hihazo Antanana­rivo io kamiao io rehefa avy nanatitra solika tany Toliara.
Lehilahy namoy ny ainy voatsatoka antsy nandritra ny disadisam-pianakaviana tao Ambohinosy Antanety II, Vontovorona, ny sabotsy 9 aogositra teo. Nosamborina ny nahavanon-doza ka notanana vonjimaika.

Partager sur: