Faritra Boeny: Velom-panantenana ny vehivavy

Mitohy any amin’ny faritra Boeny ny fanohanana ny fikambanam-behivavy izay tanterahin’ny minisiteran’ny Mponina. Nomena tantsoroka ara-bola mitentina 23 800 000 Ar ireo fikambanam-behivavy miisa 12 naneho fahavononana hanangana tetikasa mitondra amin’ny fizakan-tena ara-pivelomana.
Mifototra amin’ny asa tanana, toy ny zaitra sy rary, ny fahai­zana mahandro ary fanodinana voankazo ny tetikasa nosafidian’izy ireo. Miainga amin’ny famolavolana tetikasa sy ny fanatanterahana izany ary ny famoahana ny vokatra ho tonga loharanom-bola maharitra ny fanentanana atao amin’ izy ireo, amin’izao fanohanana izao.
Hahaleo tena ara-pivelomana, hampandroso ny ankohonany ary ho sangany eo amin’ny fiarahamonina ireo vehivavy rehefa tafarina. Ilaina ny fahaizana mitantana ny vola mba hitombo ary tanjona lavitr’ezaka ny hahatsanganana orinasa madinika.
Ho fanamafisana ny vina fampandrosoana ny maha olona, misokatra ho an’ny mponina ao amin’ny faritra Boeny koa ny ivontoerana fandraisana an-tanana ireo olona niharan’ny herisetra.

Tatiana A

Partager sur: