TSELATRA

Lehilahy iray 50 taona tratra nivarotra zava-mahadomelina “rongony” tany Ambatonomby, kaominina Soalandy, disitrakan’Antananarivo Atsimondrano ny faran’ ny herinandro teo. Nifanehitra tamin’ny zandary na­nantan­teraka ny asany izy io. Nahitana rongony 46 fono­sana teny aminy. Tafiditra ao anatin’ny ady amin’ny zava-mahadomelina izao hetsika izao.
Tovolahy mahery fihetsika efatra voasambotry ny polisin’ny FIP, tany Antanimalandy VII, Mahajanga, ny alahady lasa teo. Nanao herisetra sy fanakorontanana tao an-tranon’olona iray nanao fety tany an-toerana izy efa-dahy niampy ireo namany roa hafa. Naratra mafy vokatr’ izany ny telo tamin’ny tompom-pety. Nentina eny anivon’ny kaomisarian’ny boriboritany faha-3 ao Antanimasaja izy ireo.
Fasana enina indray nisy namaky tany Miarinarivo, faritra Itasy, afakomaly alina. Lasan’ireo olon-dratsy tamin’ izany ny razana miisa 40 tao anatiny. Lasa tamin’izany koa ireo taolan-dava rehetra ary namparitak’ireo jiolahy teo ivelany ny taolana hafa. Fasana iray hafa tsy voavahan’ny olon-dratsy na dia efa noezahina novakiana aza.

Partager sur: