Fiainana andavanandro : Vitsy ny manjifa saribao amin’ny gony

Anisan’ireo singa iray tsy mbola afa-miala amin’ny Ma­la­gasy ny saribao. Mbola io angovo io avokoa no enti-ma­handro ny sakafo. Nahitana fiakarana ny vidin’izany tamin’ity taona ity.

Mihasarotra ny fiainana! Efa tsy dia misy intsony ny olona mahavita manjifa saribao amin’ny gony, ankehitriny, araka ny fanadihadiana natao omaly, teny amin’ireo mpivarotra izany, etsy Antsahabe. Nilaza ny mpivarotra iray fa mandalo fahasahiranana avokoa ny mponina ka efa vitsy ny olona maka saribao amin’ny gony, noho ny vidin’izy io izay nahitana fiakarana 37 000 Ariary hatramin’ny 40 000 Ariary.
« Tsy dia misy intsony ny olona mividy saribao amin’ny gony izany. Na misy aza, efa azo isaina amin’ny rantsan-tanana izany raha eto aminay. Lasa lafo ihany koa moa ny entana, ka rariny sy hitsiny raha ny antsinjarany no jifain’ny olona. » hoy ny mpivarotra saribao iray, izay nisafidy ny tsy hitonona anarana.
Nampahafantarin’izy ireo moa fa efa mahatratra 500 Ariary ny antsinjarany vao mahazo. Eo amin’ny 2 000 Ariary kosa ny fatrany betsaka indrindra voavidin’ny olona. Raha ny fanazavana nataon’ity mpampanjifa saribao etsy Antsahabe ity, tsy mbola fantatra ny antony mampiakatra ity vidin’ny arina ity.
« Tena tsy mahalala ny antony nampiakatra ity saribao ity ny maro, ary lasa tsikaritra tamin’ity taona ity fa tsy dia nandeha loatra ny tsena », hoy hatrany ilay mpivarotra. Nanamafy ihany moa izy fa na ilay mameno masonkarena aza efa manahirana, ka tsy dia hita loatra ilay tombony, ankehitriny.

Tsy nisy olana ny taona lasa

Nojifaina tamin’ny vidiny 35 000 Ar ny saribao, tamin’ny taona lasa. Raha ny filazan’ity olona mivelona amin’ny fivarotana saribao ity ihany, tsy dia nisy olana na fahasarotana ny fivarotana izany tamin’izany. « Mora hita ny entana, sady tsy dia sarotra ny nanefa versement tamin’izany », tenin’ilay mpivelona amin’ny resaka fivarotana saribao. Ankoatra izay, mandany roa gony isaky ny tapa-bolana eo izany ny tokantrano iray, ankehitriny.
« Raha ho anay manokana izao, saribao eo amin’ny roa gony eo no lany isaky ny tapa-bolana. Tsy mbola afaka miala amin’ilay fandrahoana sakafo amin’ny arina moa atahorana hatrany ny resaka fahatapahan-jiro, raha mampiasa ireny fatana elektrika ireny », hoy i Narindra, renim-pianakaviana iray.
Mitovy amin’izay ihany koa ny lanin’ireo mpanao sakafo amin’ny hotely, ary mba hitsitsin’izy ireo izany, mampiasa kitay be hatrany ry zareo. Tsy mety hampiasa ny fatana mandeha amin’ny herinaratra ny akamaroan’izy ireo noho ny olana ateraky ny fahatapahan-jiro matetika.
«  Mandany saribao misimisy ihany izahay, amin’ilay mahandro sakafo maro. Eo amin’ny iray gony isaky ny herinandro eo izany. Hiaraha-mahalala ny resaka fahatapahan-jiro matetika amin’izao ka izay no tsy hanaovanay fatana mandeha amin’ny herinaratra », hevitr’i Vero, mpivarotra sakafo masaka.

Nanatontosa : Fitia Randria

Partager sur: