INDRAY MIJERY

Notanterahina nandritra ny roa andro tao Moramanga ny fiofanana, andiany faharoa, ho an’ireo mpitondra tricycle. Nampiavaka izany ny fandraisana anjara nataon’ireo mpitandro filaminana niara-niasa tamin’ny ekipan’ny sampandraharaham-paritry ny minisiteran’ny Fampianarana teknika ao Alaotra Mangoro. Nitombo isa ihany koa ny mpandray anjara raha oharina tamin’ny andiany voalohany satria nahatratra 654. Inoana fa hitondra fiovana eo amin’ny toe-tsaina sy ny fomba fitadiavan’ny mpitondra tricycle ity fiofanana anatin’ny hetsika «Fijery hafa» ity, araka ny nambaran’ny ben’ny Tanàna. Mametraka fototra ho an’ny asa sy fiainana maharitra ny fiofanana tahaka izao.

Momba ny aretina bilarziozy ao anatin’ny faritra Itasy, mahatratra 60% ny tahan’ny aretina ho an’ny kaominina 10 manodidina ny farihy, araka ny fanadihadiana. Efa misy ny fanentanana ny mpampiasa rano izay mivelona amin’ny farihy ihany koa momba ny fiarovana.

Any am-pialantsasatra ny ankamaroan’ny tokantrano maro. Tsara ihany ny hisian’ny olona azo antoka miandry ny trano fa tsy tokony ho avela babangoana. Ny ratsy tsy kely lalana. Tsy tokony ho tsikaritry ny manodidina akory hoe tsy misy olona ny trano.

Partager sur: