Efatra mianadahy no nivoaka ho mpandresy tamin’ny fifaninanana « Olympiade des métiers 2025 » Wordskills. Notanterahina teto an-drenivohitra ny famaranana ny hetsika.
18 ireo mpandray anjara amin’ny sehatrasa efatra: asa hazo, fanenomana, petakofehy ary lamaody. Efa nisy fifantenana teo anivon’ny faritany enina ka nisongadina izy 18 mianadahy amin’ny sehatra nasionaly. Tanjona ny hamoahana ny talentan’ny tanora sy ny fanehoana fa ny fampianarana teknika sy fanofanana arakasa dia tsy mihanona fotsiny amin’ny lesona fa miditra amin’ny fampiharana ny fahaiza-manao. Eo koa ny hampivelarana ny toe-tsaina tia mifaninana maneho talenta sy manome vokatra mifantoka amin’ny fahombiazana. Ireo ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Angelico Ennodius Harisoamanarivo. Efatra mianadahy no voafidy ho mendrika ka hisaorana ny tantsoroka avy amin’ny Unesco sy ny mpiray ombon’antoka hafa nahazoana nikarakara ity hetsika ity.
Maro ny sehatra ao amin’ny sampana teknika ka hovelarina amin’ny sehatra maro hafa ny fifaninanana ary hitombo koa ny mpifaninana. Misy singa nanombanana ny fahaiza-manaon’ireo miatrika izany ary afaka manao asa tena izy ireo manomboka eto.
“Entanina ny mpianatra hisafidy ny sampam-panofanana teknika sy arakasa satria mampihena ny tsy fananana asa ny fahazoana fiofanana sy fahaiza-manao mifantoka amin’ny vokatra toy izao”, hoy ny nambarany. Hatramin’izao, antonony ny fisafidianan’ny tanora ny sehatra teknika ary efa misy ny “Oriente jeunes” izay vovonana niomerika ahazoan’ny rehetra mijery ny torolalana momba ny fampianarana teknika misy ny tolotra fiofanana. Voalazan’ny Directeur de l’apprentissage et de l’apprentissage initiale, eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika, Razaimanantsoa Rojoniaina, fa 65% ny mpianatra avy eny amin’ny fampianarana ankapobeny no misafidy ny fampianarana teknika satria maniry ny hiasa avy hatrany.
Vonjy




