Antananarivo : 30% ny trano miorina ihany no manana lavapiringa

Mbola maro ny olona tsy manana toeram-pivoahana na eto an-dReni­vohitra na any am­banivohitra. Anisan’ny miteraka olana ara-pahasalamana sy disadisam-piarahamonina ny fanariana ma­loto eny an-da­lana sy eny amin’ny lakandrano.

Manodidina ny 28-30 % ireo trano miorina eto Antananarivo ihany no manana toeram-pivoahana na lavapiringa ara-dalàna sy manaraka ny fenitra araka ny tokony ho izy, raha ny tatitra voaray eo anivon’ny Kaomi­nina Antananarivo Renivo­hitra. Mahatratra 1,6 tapitrisa kosa ny olona tsy manana izany maneran-tany, raha ny antontanisa navoakan’ny Organisa­tion mondiale de la santé (OMS), tamin’ny 2017. Olona 892 tapitrisa (olona 1 amin’ny 7) ireo mangery ankalamanjana maneran-tany. Tafiditra amin’izany ireo mangery eny an-tatatra, any anaty lobolobo ary eny amoron-drano. Monina any ambanivohitra avokoa ny ankamaroan’ny olona 9 amin’ny 10 amin’ireo.
Maro ny antony mahatonga ny olona tsy manorina lavapiringa. Anisany ny fahateren’ny toerana sy ny tany hanorenana. Ny tsy fanokanan’ny olona sora-bola hanorenana izany.
Ilaina ny fananana lavapiringa ho an’ny tokantrano tsirairay. Telo metatra miala amin‘ny trano ny toerana azo hanorenana izany, araka ny voarakitra ao anatin’ny andinin-dalàna manomboka eo amin’ny faha-8, 9 hatramin’ny 12 mahakasika ny fehezam-pitsipika monisipaly mifehy ny fikoloam-pahasalamana.

Fampitandremana indroa misesy vao manasazy
Azon’ny olona atao tsara ny mitoroka raha mahita ny tranga tsy fanarahana ny lamina eny anivon’ny fokontany. Indrindra mahakasika ny fanariana maloto eny amin’ny tatatra sy ny lalam-bahoaka. Mahatratra 15 isan-kerinandro ny fitarainana voaray eny anivon’ny DEAH momba izany eto anivon’ny tanànan’Anta­nanarivo.
Miainga avy amin’ny fitarainana eny amin’ny mpiara-monina na avy amin’ny sefo fokontany, na ny amin’ny RF2 ny fisavana sy fampitandremana. Misy ny fanaraha-maso izany afaka iray volana. Misy avy hatrany ny sazy aorian’ny tsy fanarahana ny lamina apetraka ataon’ny olona aorian’izay. 50 000 Ariary ny sazy. “Sady mandoa vola no ma­namboatra ny fotodrafitrasa ilay olona mandritra izany», hoy ny Dr Domoinamalala Marie Lucienne, Directrice de l’eau et de l’assainissement et de l’hygiène eo anivon’ny CUA. Mety hiakatra hatramin’ny 300 000 Ariary ny sokajin-tsazy, arakaraka ny hamafiny. Alefa miakatra eny anivon’ny fitsarana kosa ny raharaha raha toa ka tsy mbola misy fiovana, raha ny fanazavana voaray hatrany.
Mitarika amin’ny tsy fahafahana monina ao amin’ny trano mihitsy ny tsy fananana lavapiringa, araka io fehezan-dalàna io ihany, noho ny fampiharana ny SMA eto An­tananarivo Renivohitra manokana. Mahatratra 230 ireo lavapiringa niorina teo anivon’ny tokantrano, nanomboka tamin’ny taona 2023. Antony mahatonga izany ny fahatahorana ny iharan’ny sazy.

Mahatonga aretina isan-karazany

Zava-dehibe ho an’ny olombelona rehetra ny fananana toeram-pivoahana. Nampidirina ho anisan’ireo zo fototra manerana izao tontolo izao izany. Maro ireo no tsy manana lavapiringa ka mangery sy manary maloto an-kalamanjana.
Miteraka voka-dratsy eny anivon’ny fiarahamonina ny tsy fananana izany ho an’ny tokantrano iray. Mahatonga disadisa amin’ny endriny maro ihany koa. Ankoatra izay, maro ny aretina sy ny mikraoba mety ho azo avy amin’ny fanariana maloto eny an-dalana sy eny amin’ny lakandrano eny. Mety hitarika any amin’ny fahafatesana mihitsy izany raha sanatria tsy voasoroka. Lasibatra indrindra amin’izany ny ankizy sy ny olon-dehibe efa mahazo taona.
Anisan’izany, ny aretim-pivalanana, cholera, lefan-kozatra, hépatite amin’ny endriny maro, tefoidra, raha ny fanazavan’ny mpitsabo. Mifindra amin’ny alalan’ny rano ny mikraoba ka mety hahavoa ny hafa. Amin’ny alalan’ny tanana ihany koa rehefa avy nangery sy nanolo lamban-jaza ka tsy voasasa tamin’ny rano sy savony. Marihina fa manodidina ny 230 ireo lavapiringa niorina eny anivon’ny tokantrano, nanomboka ny taona 2023.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: