INDRAY MIJERY

Manan-jara ireo ankizy avy any amin’ny faritra na avy amin’ny manodidina tonga manao vakansy eto Antananarivo amin’izao fotoana. Betsaka ny zava-baovao afaka tsidihina. Anisan’izany ny fisokafan’ireo lalam-baovao maro manodidina an’Antananarivo. Eo koa ny fandehanana amin’ny zotra teleferika, ny fitsidihana ny varotra fampirantiana goavambe eny Ivato, ny fotodrafitrasa Lac Iarivo, sns.

Vita tanteraka ny fanavaozana ny Amphi an’ny fakiolten’ny EGS-FDSP eny amin’ny Oniversiten’ Antananarivo. Ny EGS no mampiasa ny fotodrafitrasa mandritra ny fampianarana sy ny fanadinana. Rehefa fotoam-panadinana kosa vao mampiasa azy ny FDSP. Mendrika ho an’ireo mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo ny fotodrafitrasa tsara.

Novatsiana fitaovana ny toerana fandraisana marary ao amin’ny CSB Antseva, distrikan’i Toliara II, faritra Atsimo Andrefana. Tanjona ny hanatsarana hatrany ny tolotra ara-pahasalamana ho an’ny mponina eny ifotony.

Partager sur: