Raharaha Ambohimalaza : Mbola any am-ponja i Fenohasina

Nanao fanambarana, omaly, ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana, indrindra ny fitantanana ny fonja, fa mbola tazomina eny amin’ny fonjaben’i Manjakandriana i Fenohasina. “Olona dimy mirahavavy mianaka no voasambotra sy nalefa eny am-ponja any amin’ny toerana samihafa mba hanamora ny fanadihadiana”, hoy i Volazara Sakina Mohamady, Tale jeneralin’ny Fitantanana ny fonja. Anisan’izany, i Fenohasina, izay vehivavy nikarakara ilay fety. Notazomina ao amin’ny fonjan’i Man­jakandriana, nanomboka ny 30 jolay lasa teo, izy rehefa avy niakatra fampanoavana teny anivon’ny fitsarana. Mbola any amin’io fonja io izy mandraka androany, raha ny fanazavana voaray hatrany.

Nohadihadiana ny 12 aogositra teo
Efa nentina natao fanadihadiana teny amin’ny tribonaly izy ny talata 12 aogositra lasa teo. Naverina eny amin’ny fonjan’i Manjakandriana. Voaraikitra ao amin’ny boky manokana ao amin’ny fonja ny ora niaingany sy nahatongavany teny an-toerana. Miantso ny vahoaka, indrindra ireo ray aman-dreny sy fianakaviana namoy havana tamin’io loza io, ny Tale jeneralin’ny Fitantanana ny fonja, tsy hihaino sy hino tsaho.

Mino

Partager sur: