Tandindonin-doza ny alatapia ao Arivonimamo II : Seha-pihariana mamelona olona aman’arivony ny fanenomana landy

Misy ny asa omen’ny harena voajanahary azontsika sitrahina ahazoana tombontsoa. Vondron’olona misitraka izany ny olona manenona landy ao amin’ny distrika Arivonimamo, faritra Itasy.

Araka ny tantara, avy any Arivonimamo ny lambalandy nitafian’ny mpanjaka rehefa hikabary manoloana ny vahoaka izy. “Miankina amin’ny tontolo iainana ao amin’ny alatapia, toy ny landy, olatra, sakafo maro (voatapia), ary akora fandokoana voajanahary ny seha-pihariana landy, zava-dehibe iveloman’ ny olona eny ifotony. Mibahana kokoa ny olatra sy ny landy”, hoy ny filohan’ny Plateforme Soie amin’ny faritra Itasy, Rasoanirainy Angeline Alice. Mpamboly zana-kazo, mpiompy, mpamoly, mpanenona, mpivarotra, mpiaro ny alatapia any ambany ravinkazo no rojom-pihariana aterak’io seha-pihariana io.
Nihena ny akora fototra tao anatin’ny fito taona farany satria misy ny olona mikapa ala hanaovana arina fandrehitra, eo koa ireo mandoro tanety ka zary maivana io seha-pihariana io, amin’izao fotoana izao.
Ao anatin’ny alatapia no mivelona ny landy ary ao Arivonimamo II no misy ny velarana alatapia lehibe indrindra eto Madagasikara. Mampiavaka antsika maneran-tany rahateo io ala io. Mila arovana ny alatapia. Nanomboka tamin’ny famendrahana fanafody famonoana valala ny taona 2013-2014 no ho mankaty no niseho ireo olana sedrain’ny alatapia sy ny landy. Voan’ny entona famonoana valala ny alatapia ka tsy mamokatra intsony tamin’izany raha ny olona indray no olana ankehitriny. Tsy ampy ny akora fototra, nihena ny alatapia vokatry ny fanaovana arina fandrehitra sy ny doro tanety. Mila tezaina ny Vondron’olona ifotony ary tokony homena vadinasa tsy hioty fotsiny ny vokatra ao anatin’ny alatapia. Misy ireo mivarotra soherina amin’ny fotoana tsy tokony hanaovana izany. Ny sasany mamboly kesika any anatin’ny alatapia izay tsy manaraka bokin’andraikitra velively, araka ny fanazavany ihany.
Tao anatin’ny 10 taona farany, landy 200 kg isan-taona no azony, raha milanja 1t talohan’izay ny vokatra azo satria raha 10 000 ha ny velarana alatapia teo aloha, nihena ho 5 000 ha izany ankehitriny.
Fanentanana no tena ataon’ny fikambanana, midina eny amin’ny fokontany miresaka sy manazava ny maha zava-dehibe ny fiarovana, satria foto-piveloman’ny to­kan­trano maro ny alatapia misy ny landy. Misy polisin’ala napetraky ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy izay novatsian’ny AFD bisikileta nefa tsy maharaka ny fanaraha-maso. Sarotra volena rahateo ny tapia, telo taona lasa, nanao fambolena tapia ny fikambanana ka nanatsatoka 1 600 fototra. 300 ihany tamin’ireo no velona satria mifidy tany ny tapia ary mitaky fotoana ela vao mitombo. Ny landy kosa azo ompiana toy ny ataon’ ny projet Tapia eo Ankalalahana.

Partager sur: