Kankan’ny lalandra : Distrika maherin’ny 100 eto Madagasikara ahitana bilarziôzy

Aretina mbola mahazo vahana eto Madagasikara ny bilarziôzy na takilodrano. Distrika maro no mbola ahitana olona voan’io aretina io, izay azo avy amin’ny kankana monina any amin’ny lalandra.

Misy trangan’aretina ta­kilo­drano maro eto Ma­­dagasikara. Ahi­tana izany betsaka ny any amin’ireo distrika 107, amin’ny 119 eto amin’ny Nosy, raha ny tatitra navoakan’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka. Any amin’ny disitrika 46 ny tena ahitana olona maro miaina miaraka amin’io aretina io. 90% ny mponina ao amin’ny kaominina iray no voalaza fa voan’izany avokoa, hatramin’ny ankizy.
Aretina azo avy amin’ny parasita na katsetsitra antsoina hoe: “bilharzie” na “schistosoma”, kakandio, ny takilodrano. Miditra sy monina any amin’ny lalandran’ny olombelona izy io. Aretina azo avy amin’ny kankandio, miditra amin’ny alalan’ny masonkoditry ny olona iray. Fifam­pikasohana amin’ny rano misy mikraoba, toy ny renirano, farihy, dobo, rano eny an-tanimbary sy ny maro hafa no ahazoana izany. Misy dimy karazana izy eto ambonin’ny tany. “Ho an’i Madagasikara manokana, ahitana karazany roa. Voalohany, ny Schistosoma mansoni, na takilodrano miseho any amin’ny tsinay. Fa­haroa, ny Schistosoma haematobium, izay miseho any amin’ny tatavia”, hoy ny Pro­fesora Rakotozan­drin­drainy Raphael, mpampianatra mpikaroka momba ny microbiologie sy ny parasitologie. Ahitana ny miseho any amin’ny tatavia ny any amin’ny tapany andrefan’i Mada­ga­sikara, manomboka eo Tsiroa­no­mandidy hatrany Antsira­nana sy Toliara. Takilodrano miseho any amin’ny tsinay kosa ny eto afovoantany sy any amin’ny tapany atsimo atsinanana.

Miditra amin’ny
masonkoditra
Mety ho voan’ny aretina na ny ankizy vao herintaona aza, hatramin’ny lehibe indrindra. Mitsofoka ao anaty hoditry ny olona iray ny otrikaretina raha vao mikasoka ao anaty rano misy izany izy, ary tonga manafika ny lalandra avy hatrany. Alohan’izay, miditra ao anatin’ny sifotra, any anaty rano, mandritra ny iray volana io otrikaretina io. Mivoaka tao izy rehefa miangeza sy mafana ny andro. Eo anelanelan’ny amin’ny 10 hatramin’ny 2 ora atoandro ny fotoana hivoahany ao anatin’ilay sifotra ka hidirany amin’ny hoditry ny olombelona. Matetika, amin’io fe-potoana io no hivoahan’ny olona manasa lamba, manetsa, mijinja vary, milomano sy ny maro hafa. Raha vao mikasika rano na milona ao anaty rano misy azy mandritra ny dimy na 10 minitra eo ny olona iray dia efa voa izay. Mipetraka ao anaty lalandra, izay ambonin’ny fitombenana ilay katsetsitra. Manatody ny vavy ary mandavaka ny lalandra sy ny tsinaibe na mandavaka amin’ny faritra fivalanan-drano, ny sisin’ny atody izay maranitra. Manaraka azy ny ka izany no miteraka ny fahaverezan-dra.
Raha ho an’ny ankizy voan’ny aretina, mety tsy handray lesona intsony ny lohany. Raha tantsaha, miasa izy fa vizana noho ny aretina ny vatany. Betsaka ny fahaverezan-dra ka lasa miteraka harerahana eo amin’ny mponina tokony hamokatra.

Miseho amin’ny endrika maro
Rehefa miditra ao amin’ny hoditry ny olona ny kankana, aorian’ny firobohana na filomana rano maharitra, tsy maintsy mangidihidy ilay olona, fambara fa tafiditra ao anatin’ny masonkoditra izay ilay katsetsitra. Heverin’ny olona fa tratry ny lailaim-borona ny marary. Miseho ny fambaran’aretina eo amin’ilay olona afaka 10 na 15 andro eo arakaraka ny hery fiarovana ao aminy. Mamany sy mikaka ra ihany koa no ahafantarana fa voan’ny takilodrano ny olona iray. Mitohy izany ary mety hitarika fangidihidian’ny vatana iray manontolo ary mety hikohoka na marary an-doha. Vizana lava, marary an-doha lava, tsy mahazo aina ny olona iray rehefa voan’io aretina io. Rehefa tonga any amin’ny lalandra amin’izay ny takilodrano, manomboka manatody, izay tena zava-doza in­drindra ho an’ilay olona voa satria manatroaka ny lalandra. Mety hahafaty io aretina io raha tsy voatsabo ara-dalàna.

Mahatonga fahasarotana raha tsy voatsabo

Azo tsaboina tsara anefa ny aretina. Mora ny mitsabo azy satria mihinana fanafody indray mandeha dia vita. Tsy maintsy mihinana fanafody indroa farafakeliny isan-taona ny marary iray any amin’ny faritra tena ahitana izany. Mahatonga fahasarotana amin’ny endriny maro izy io raha sendra ka tsy voatsabo. Mihatery ny lalandra satria trobahin’ireo atody foy maro. Noho izany, tsy afaka mikoriana araka ny tokony ho izy intsony ny ra, izay miainga any amin’ny tongotra mankany amin’ny fo satria tery ny lalany. Mitombo be ny herin’ny ra, noho izany, mitombo koa ny sarakaty, ary lasa mihangeza ny kibon’ilay olona. Lasa mivonto koa ny tongony sy ny tarehiny ary mitarika any amin’ny fahafatesana izany.

Efa natao ny andrana amin’ny vaksiny

Anisan’ny firenena afrikanina voalohany indrindra nanao ny andrana tamin’ny vaksinin’ny Takilodrano i Madagasikara. Vita tamin’ny taon-dasa izany ary maro ny olona nandray anjara sy nisitraka izany. Tsy nisy narary ary mbola velona soa aman-tsara avokoa ireo olona rehetra ireo hatramin’izao. Atao amin’ity taona ity ny andrana manaraka (deuxième phase). Atao amin’ny taona 2026 sy 2027 ny dingana fahatelo amin’ny fanandramana, raha ny fanazavana voaray hatrany. Aorian’izay, olona amina miliara no hisitraka vaksiny miaro amin’ny Takilodrano manerana ny firenena afrikanina sy eto Madagasikara. ” Tanjona, mba tsy ho 40 farany fa hiakatra any amin’ny 100 voalohany amin’ny ady amin’ny bilarziôzy”, hoy ny profesora Rakotozandrindrainy Raphael.

Atao maimaimpoana sy atao betsaka ny toeram-pivoahana
Mbola sarotra ny miady amin’ny aretina, raha ny zava-misy iainana eto Madagasikara. Anisan’ny antony iray mahatonga ny fiparitahan’ny tsimokaretina mantsy ny fangerena ankalamanjana. “Raha tiana ny hanafoanana ny bilarziôzy eto Madagasikara, atao izay hisiana toeram-pivoahana marobe manerana ny faritra rehetra eto amin’ny Nosy”, hoy ihany izy. Nambarany fa tokony ho maimaimpoana izany fa tsy handoavam-bola. Ankoatra izay, tsaboina ihany koa ny marary. Rehefa maty ilay katsetsitra ao anaty lalandra dia tsy manatody sy mitombo intsony. Anisan’ny manaparitaka ny aretina ny fangerena ankalamanjana izay toa miha mahazo vahana. Nohamafisiny fa ny fanaovana vaksiny no tena vahaolana tsara indrindra hiadiana amin’io aretina io.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: