TSELATRA

Mamita sazy any am-ponja ny tompon-trano ka nalain’ny olon-dratsy roa lahy ny entana sarobidy, tao Marotandrano, kaominina Mandritsara, ny zoma 15 ao­gositra teo. Nifanehatra tamin’ny zandary mpanao fisafoana alina ny olon-dratsy ka voasambotra.

Ady amin’ny tsy fandriampahalemana, nanangana zana-tobim-paritra iray ao Ambatofotsikely ny zandarimaria ao Ankazomiriotra. Hanampy ny fokonolona eny ifotony sy hitandro ny filaminan’ny tanàna ny fisian’ io toby vaovao io.

Mpamaky kamiao mpitatitra entana eny amin’ny lalam-pirenena faharoa, PK 238, voasambotry ny zandary tao Androrana, fokontany Nierenena, Brickaville, ny zoma 15 aogositra teo. Tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny mihitsy io jiolahy io.

Efa-dahy namaky trano fandraisam-bahiny tao Amborovy Mahajanga voasambotry ny polisy, ny alakamisy 14 aogositra lasa teo. Nalain’ireo mpandroba ny ordinatera, finday hatramin’ny kitapo. Tsy niandry ela fa nanao ny fikarohana ny ekipan’ny polisim-pirenena ka niafara tamin’ny fahatrarana ireo mpanao ratsy.

Partager sur: