INDRAY MIJERY

Manodidina ny 3 hatramin’ny 22°C ny mari­pana ny maraina ary eo anelanelan’ny 14 – 34°C ny tolakandro. Ny tsiokan’ny varatraza antonony no handrafitra ny toetry ny andro amin’ny ankapobeny. Hiha­malefaka kosa izany amin’ny fisasahan’ny herinandro. Misy ny fampitandremana mahakasika ny haavon’ny alondrano sy ny hamafin’ny rivotra ho an’ny morontsi­raka sasany. Ho maina amin’ny ankapobeny ny afovoantany, izay hialohavana zavona ny vao maraina, manomboka rahampitso. Handrahona vitsy na hiba­liaka kosa ny masoandro any an-kafa.

Ny voka-dratsin’ny tontolo tsy mampivoatra any ampiasana ny lohahevitra entin’ny psychologue roa ho an’ireo liana ny faran’ny herinandro izao, eny Tsimbazaza. Natokana ho an’ireo mahatsapa fa iharan’ ny tsindry sy sahirana manoloana ny asany ny fifam­pizarana. Hanampy ihany koa hahatakatra ny fifandrohizan’ny tontolo tsy mampivoatra any ampiasana sy ny rarintsaina mitarazoka mahazo ny mpiasa ny hetsika.

Hotanterahina any Mahajanga, eo anoloan’ny Poste Mahajanga be, ny ranty momba ny fampianarana sy ny asa, ny 22 sy 23 aogositra ho avy izao. Karaka­rain’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiasa sy ny CIDST izy io. Ho hita ao avokoa ny sekoly ambony miankina amin’ny fanjakana sy ireo miahy tena samihafa.

Partager sur: