Naratra voatora-bato ny vehivavy iray sy zazakely iray tao anaty taksiborosy tany Toamasina, omaly hariva. Nanao fihetsiketsehana ireo mpianatry ny Oniversite Barikadimy noho ny fahatapahan-jiro lava. Nitoraka tamin’ny vato izy ireo ary izao nahavoa mpandeha fiara izao.
Ramatoa lehibe iray nampihatra herisetra tamin’ny zafikeliny nosamborina sy nohadihadiana eny anivon’ny biraon’ny polisy Andranomadio Toamasina. Nohidian’ilay renibeny tao anaty efitra iray nandritra ny fotoana ela ny zafikeliny 13 taona. Tsy navela nivoaka tao ary nafatotra tamin’ny tady ny tanany. Nangala-bola tao an-trano io zafikeliny io ka antony nanasaziany azy.
Nandray ny fitantanana ny Police monisipaly sy ny filaminan’ny tanànan’i Mahajanga, omaly, ny Officier principal Rabemanaja Abel. Manana traikefa amin’ny asa iandreketany izy. Andrasan’ny mponina any an-toerana ny hitohizan’ny filaminana sy handrasain’ny polisy monisipaly anjara amin’ny filaminan’ny tanàna.
Naratra nodarohan’ny olona tetsy Namontana ny mpanampy mpamily taxi-be 187 iray, omaly. Tsy nanome famerim-bolan’ny mpandeha tao anatiny izy io ka nahatezitra ny olona. Matetika manao fanahy iniana manadino ny famerim-bolan’ny mpandeha ao aminy ny resevera.




