Nomen’ny Croix Rouge fiofanana ireo mpanentana ara-pahasalamana tao Lokomby, Vatana, Nato, Beretra, Ambila ary Mitanty, any Atsinanana. Ireo toerana misy monina kanefa tena lavitra toeram-pitsaboana no nanaovana izany hetsika izany ho famonjena aina ireo mponina tra-doza.
Lasa andry voalohany manoloana ny fiatrehana ny loza ireo mpanentana ara-pahasalamana nahazo fiofanana.
Mahafehy ny fampitsaharana ra mikoriana izy ireo, manao ireo fihetsika famonjena aina ary manampy ny marary mandra-pahatongan’ny fiara mpamonjy voina. Ny fahavitrihan’ireo mpanentana ara-pahasalamana sy ny fahaizany dia hampihena ny fahatarana amin’ny famonjena aina ary hanamafy ny fahafahan’ny fiarahamonina mioitra manoloana ny loza.
Ity fiofanana ity izay tafiditra ao anatin’ny tetikasa fanomanana ny fiatrehana ireo karazana tandindon-doza na PPRM, izay notanterahin’ny Croix-Rouge malagasy, miaraka amin’ny fiaraha-miasan’ ny British Red Cross sy ny International Federation of Red Cross and Red Crescent Societies, tohanan’ny FCDO.
Tatiana A




